Antsahampano-Antsiranana II : Lehilahy iray hita faty roa andro taorian’ny nipaohan’ny rano azy niaraka tamin’ny fiara

  • jeudi, 21 janvier 2021 20:51
  • Zakaria
  • Sary ZP

Lehilahy iray, 27 taona, no hita faty androany maraina tao amin’ny seranan’ny orinasa iray mpamokatra sira ao Antsahampano, Antsiranana II.

Iray tamin’ireo olona roa tao anaty fiara 4x4, nopaohin’ny ranontrambo ny marain’ny talata 19 janoary 2021 teo izy io, teo amin’ny renirano Antomboka Namakia, raha avy any Antsiranana hiazo an’Andranovondronana nandritra ny fandalovan'ny andro ratsy Eloise.

Efa nalain’ny fianakaviany ny faty taorian’ny fanamarinana sy ny fizahana nataon’ny dokotera teo anatrehan’ny Zandary.
Efa hita ary nakarina avy ao anaty rano ihany koa ny fiara nitondra azy ireo.

Mbola misy ramatoa iray tao anatin’io fiara io, karohina amin’izao fotoana izao. Mifarimbona amin’izany ny andary, Miaramila ary ny Fokonolona.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.