Toliara : Tonga manoloana ny Lapan' ny fitsarana ireo vahoaka avy ao Betsinjaka

  • jeudi, 21 janvier 2021 18:54
  • Tigre
  • Sary ZP

Androany 21 janoary tokony tamin'ny 09ora sy sasany maraina dia tonga manoloana ny Lapan'ny fitsarana teto Toliara ireo vahoaka avy ao Betsinjaka, Distrika Toliara II.

Olona eo amin'ny 200 eo no nitondra sorabaventy mitaky ny amoahana ny filohan'ny Filan-kevitra monisipaly ao amin'ny Kaominy Betsinjaka, izay nigadra rehefa notorian'ny Ben'ny Tanàna ho nivarotra ny tanin'ny Kaominina taman'olon-kafa.

Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary nifampiresaka tamin'ireo vahoaka nivory, ary noferana mafy tsy hibahana ny arabe. Nanaiky ireo ary nipetraka eny amin'ny sisin-dalana.

Nilamina teo amin'ny tribonaly.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.