Eloise : Tafaverina ny jiro Ambatoboeny

  • jeudi, 21 janvier 2021 17:00
  • Tigre
  • Sary nomena

Maty tanteraka ny jiro teto Ambatoboeny omaly satria nilavoan'ny hazo ny fil ny jirama vokatry ny fandalovan'ny rivotra sy orambe nentin'i Eloise ny alarobia 20 janoary .

Tsy nitazam-potsiny anefa ny miaramila avy ao amin'ny ZRPS DELTA Ambatoboeny, tarihin'ny Colonel Christian Jean Randrianantenaina, fa avy hatrany dia nanapaka an'ireo hazo nanindry ny fil ny Jirama mba ahafahan'ny Jirama mamerina ny jiro.

Maromaro ireo trano simba, mbola mandrahona ny andro fa efa tsy misy rivotra sy orana firy intsony.
Efa niverina kosa ankehitriny ny jiro eto Ambatoboeny.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.