Jirama : Nanome 48ora ny fitondrana ampidinana ny vidin'ny jiro sy rano

  • jeudi, 21 janvier 2021 08:37
  • Tigre

Tapaka tamin'ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 20 janoary 2021 fa tsy tokony mbola ampiharin'ny Jirama ilay fikajiana vaovao izay mampiakatra ny vidin'ny jiro sy rano, nefa ny vidim-piainana miakatra, ary vao avy nisedra ny olan'ny valanaretina Covid-19 ny Malagasy.

Manamafy ny fitondrana fa mahazo fanampiana na subvention anarivo tapitrisa ariary ny Jirama ka ilaina ny fampidinan'ny orinasa Jirama ny saran'ny jiro sy rano izay mahakasika ny fiainam-bahoaka.

Manome 48ora ny Jirama ny fitondrana handaminana ireo faktiora izay tsy takatry ny mpanjifa intsony ny fandoavana azy.

Manamafy ity filankevitry ny minisitra ity fa mila maka ny hevitry ny ministera mpiahy sy ny governemanta manontolo ny Jirama alohan'ny ampiakatra ny vidin'ny jiro sy rano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.