Miary Lamatihy - Sakaraha : Nitrangana halatra osy miaro fakana an-keriny

  • mercredi, 20 janvier 2021 18:01
  • Zakaria

Ny alin'ny 16 janoary 2021 no nitrangan’ny halatra osy miaro fakana an-keriny tao Antsapana Kaominina Miary Lamatihy, Distrika Sakaraha.

Osy miisa 42 no nangalarina dahalo, ary olona 3 nataon’izy ireo takalonaina. Niditra ny ala zombitse ireo dahalo ireo.
Nifarimbona ny Zandary sy ny Fokonolona nanao fanarahan-dia. Nisy ny fifandonana.

Vokany, tafaverina avokoa ny osy rehetra, toy izany koa ireo olona 3 voatazon'ireo dahalo. Azo sambo-belona ny dahalo iray, karohina ireo namany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.