Eloise : Hiditra an'Antalaha
- mardi, 19 janvier 2021 18:21
- Tigre
Tany amin’ny 39 Km Atsinanan’ny Cap Est no nisy ny foiben’i ELOISE tamin’ny 03 ora tolakandro teo. Niakatra ho 100 Km/ora ny rivotra entiny, ary arahina tafiotra 140 Km/ora manodidina ny foibeny. Mizotra mianatsimo andrefana ny diany ka mahafaka 17 Km/ora. Hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’Antalaha izy tsy ho ela.
Mbola manan-kery ny filazana fampitandremana ho an’ireto faritra sy Distrika manaraka ireto :
Filazana Loza mitatao (Filazana miloko Mena) : Sava, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara.
Filazana Loza manambana (Filazana miloko Mavo) : Toamasina I-II sy ALAOTRA.
Filazana fanairana (Filazana miloko Maitso): Brickaville, Vatomandry, Mahanoro ary Moramanga.
(Loharano Météo Madagascar)
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
https://sobikamada.com/index.php/tselatra/item/25518-eloise-hiditra-an-antalaha.html#sigProGalleria0a461cc4db
https://sobikamada.com/index.php/tselatra/item/25518-eloise-hiditra-an-antalaha.html#sigProGalleria0a461cc4db
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.