Antsiranana : Naiditra am-ponja ilay jeneraly sandoka

  • mardi, 19 janvier 2021 17:59
  • Zakaria
  • Sary ZP

Voasambotra tao Antsiranana ny 13 janoary 2021 ny tovolahy iray 31 taona mampiasa ny kaonty Facebook "Xavier Rakotoson" noho ny fisolokiana sy fisandohana nataony.

Niara-nientana ny Sampan-draharaha miady amin’ny fandikan-dalàna an’habaka sy ny Sampana miady amin’ny heloka bevava ao Antsiranana ary ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Amoron’i Mania.

Nampiasa ny sarina Jeneraly, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamaria tany aloha ity kaonty ity. Taty aoriana dia nosoloiny sarina manamboninahitra Jeneraly hafa indray io. Ny sarin’ny Jeneraly, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ankehitriny no nampiasainy farany, izao izy voasambotra izao.

Mitonona ho Jeneraly ao amin’ny Zandarimaria izy. Mampiresaka an’ireo tanora ka milaza fa afaka mampiditra azy ireo ho mpianatra zandary ary maka vola ho takalon’izany.

Fisolokiana, fisandohana andraikitra sy fakàna vola tsy ara-drariny ary fampiasàna sy fitazomana fanamiana miaramila no iampangana azy.

Naiditra am-ponja ao Antsiranana ny 18 janoary 2021 ity jeneraly sandoka ity taorian’ny fanadihadiana ka nanolorana azy ny fampanoavana ao Antsiranana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.