Anosibe : Trano 33 tafo ravan’ny afo

  • mardi, 19 janvier 2021 08:21
  • Zakaria

Nitrangana haintrano teny Anosibe andrefana omaly alatsinainy 18 janoary maraina. Trano 33 tafo ravan’ny afo. Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo, fa setroka nijolofotra no nanaitra ny olona, efa lasa tany amin’ny asa fihariana.

Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra namono ny afo. Ora roa teo vao voafehy izany.

Fianakaviana 55 eo no traboina naterak’ity haintrano ity. Maro tamin’izy ireo no very fananana, nisy nanararaotra tao anaty fikoropahana sy famonjena voina nangalatra ny fananan'ny hafa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.