Fiadidiana ny Repoblika : Nanangana rafitra hanara-maso sy hanenjehana ireo mpanao hosoka

  • jeudi, 14 janvier 2021 16:17
  • Zakaria

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana mametraka eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny ANAF, na ny Agence Nationale Anti-Fraude, mba hanaraha-maso ireo hosoka sy hanenjehana ireo mpanao hosoka araka izay voafaritra ao anatin’ny lalàna.

Hanao ny fanadihadiana rehetra manodidina ireo hosoka rehetra ny ANAF, ary hiara-hiasa akaiky tanteraka amin’ireo sampan-draharaham-panjakana mahefa mpampihatra ny lalàna araka ny fahefana nomen’ny lalàna azy ireny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.