Covid-19 : Voarara ny famorian'olona mihoatra ny 50

  • jeudi, 14 janvier 2021 11:59
  • Zakaria

Hiverina hisokatra ny eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka hanao fitiliana ireo marary misy soritr'aretina.

Noraisina ny fepetra fandraràna ny famorian'olona mihoatra ny 50, ka faritra 4 no voakasik’izany dia Boeny, Haute Matsiatra, V7V, Analamanga.

Hamafisana ny fanaovana ny arovava ary ny fitandreman-tenan'ny tsirairay mba hisorohana tanteraka ny tsy hiverenana amin'ny fihibohona izay tsy ho zakantsika intsony.

Tao anatin'ny herinandro dia tafakatra 234 ny tranga vaovao, ary niisa 5 ireo maty noho ny Covid-19.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.