Rahajason Harry Laurent : Andrasana androany ny didim-pitsarana momba azy
- jeudi, 15 octobre 2020 09:41
- Zakaria
- Sary nindramina
Niakatra Fitsarana ny 14 oktobra, tetsy Anosy, Rahajason Harry Laurent, minisitry ny serasera teo aloha ary fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Rolly Mercia eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety.
Nanao izay ho afany ny mpisolovava tamin’ny fiarovana azy. Hivoaka androany alakamisy 15 oktobra ny didim-pitsara. Naverina eny Antanimora, fonja itazomana azy nanomboka ny 16 jolay izy, miandry izany.
Fitarihana olona hidina an-dalambe tsy nahazoana alalana teny Ambohipo izay nosokajiana ho fanohintohinana ny filaminana anatiny sy ny fiandrianam-pirenena no anisany anenjehana azy, sy lehilahy efatra hafa.
Ny 16 jolay 2020 ity Minisitra teo aloha ity no nosamborina sy naiditra am-ponja.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.