Antananarivo Renivohitra: Hiandrasana hamono olona ve ireo lavaka amin’ny arabe?

  • mardi, 06 octobre 2020 11:18
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Manomboka milatsaka ny orana. Mbola hitohy izany raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.

Betsaka ireo arabe misy lavaka eto an-drenivohitra. Tena mandifotra olona ny sasany. Misy koa ireo sarona « dalle » simba na nisy nanala teny amin’ny sisin-dalana.

Misy ny efa nampidi-doza, ary ahiana ny mbola hampidi-doza ao anatin’izao fotoanan’ny orana izao raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana.

Efa manomboka miditra an-tsekoly rahateo koa ny mpianatra dia mihamaro ireo fiara sy olona mivezivezy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.