Mahambo - Fenoarivo Atsinanana: Zaza menavava telo namoy ny ainy, vokatry ny fihinanana soka-dranomasina

  • mardi, 06 octobre 2020 11:17
  • Zakaria

Olona miisa 43 no manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Fenoarivo Atsinanana, zaza menavava telo, 4, 9 ary 10 volana namoy ny ainy. Izay no vokatry ny fanampoizanana ara-tsakafo noho ny fihinanana fano na soka-dranomasina tao Antsikafoka Kaominina Mahambo, Distrika Fenoarivo Atsinanana.

Nahazo fano ny mpanarato tao amin’ity tanàna ity, ary namidin’izy ireo mora, 4000 Ariary. Nihinana ny renin’ireo zaza menavava ireo ary nifindra tamin’ny nono ny poizina, ka nitarika tamin’ny fahafatesan’izy ireo. Anisan’ireo manaraka fitsaboana ny renin’izy ireo.

Tranga mpiseho saika isan-taona rehefa volana oktobra toy izao ny fanampoizanana ara-tsakafo noho ny fihinanana fano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.