Ambatolahy – Ihosy: Jiolahy nikasa ny hanafika, maty voatifitry ny Zandary

  • lundi, 05 octobre 2020 16:02
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Jiolahy telo mitam-basy, niketrika fanafihana no tra-tehaky ny Zandary tao Ambinanivy Kaominina Ambatolahy, Distrika Ihosy, ny 02 oktobra 2020.

Nanapoaka basy sady nitifitra ireo jiolahy vao nahatazana ireo Zandary tonga teo amin’ny toerana niafenan’izy ireo.
Raikitra ny fifampitifirana, ka lavon’ny balan’ny Zandary ny iray tamin’ireo jiolahy. Tratra teny aminy ny basy poleta vita gasy, zavamaranitra sy ody gasy. Tafatsoaka ny namany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.