Toetr’andro: Orana, havandra, vovoka mitorajofo ary setroka mainty

  • dimanche, 04 octobre 2020 18:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nirotsaka ny orana. Anisany nahazo ny faritra sasany teny Antananarivo Atsimondrano sy iny Anjozorobe iny.

Narahina havandra izany tamin’ny toerana sasany. Nanimba zavatra toy ny vokatry ny fambolena mihitsy raha ny tamin’iny manodidina an’i Mangamila mipaka hatrany Anjozorobe iny.

Vovoka mitorajofo no nandrakotra ny afovoany sy ilany avaratra atsinanan’Antananarivo renivohitra androany tolakandro.

Eo koa ny setroka mainty mandrakotra ny lanitra vokatry ny doro tanety eto afovoan-tany efa andro vitsivitsy izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.