Ambohimitsimbina : Miaramila kilasy faharoa maty nitifi-tena
- dimanche, 04 octobre 2020 16:57
- Tigre
- Sary nomena
Miaramila iray, mbola tanora, 19 taona no maty nitifi-tena tamin’ny basy teny aminy.
Nandritra ny fotoana, izy niambina ny fotodrafitrasan’ny ORTM eny Ambohimitsimbina no niseho ny loza.
Tao anaty lozoka (cave) no niseho izany, tsy nisy naheno ny manodidina.
Tonga nanao fitsirihana ny faty teny an-toerana ny dokotera avy ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana, teo anatrehan’ny lehiben’ny toby iasan’ity miaramila ity sy ny mpanao fanadihadiana.
Miaramila kilasy faharoa ity nitifi-tena ity, ary miasa ao amin’ny Rezimanta Voalohany ny Jenia Miaramila Ampahibe.
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
https://sobikamada.com/index.php/tselatra/item/24610-ambohimitsimbina-miaramila-kilasy-faharoa-maty-nitifi-tena.html#sigProGalleria67fb55d954
https://sobikamada.com/index.php/tselatra/item/24610-ambohimitsimbina-miaramila-kilasy-faharoa-maty-nitifi-tena.html#sigProGalleria67fb55d954
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.