Covid-19: Mitohy 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana

  • dimanche, 04 octobre 2020 09:31
  • Zakaria

Araka ny fanapahana avy amin’ny Filohampirenena, rehefa nanontanin'ny hevitr'ireo filohan'ny andrim-panjakana, sy ireo ankolafin'asa isan-tokony, dia noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 03 oktobra 2020 ny didim-panjakana hanohizana ny hamehana ara-pahasalamana hoentina mandrindra ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « Fahamehana ara-pahasalamana» manomboka ny 03 oktobra 2020 ary mihatra avy hatrany.

Ireo fepetra rehetra sy ny andinidininy mikasika ny lamina sy ny fandrindrana rehetra hoentina miatrika ny 15 andro manaraka dia hohazavain’ny Filoham-pirenena mandritra ny fandaharana manokana hotanterahana anio alahady 04 oktobra 2020 amin’ny 08 ora alina ao amin’ny Televizionina Malagasy, miainga avy any Taolagnaro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.