Malagasy nihitsoka tany ivelany: Nisy 52 niasa tany Liban tonga androany

  • jeudi, 01 octobre 2020 21:24
  • Zakaria

Mpiasa malagasy miisa 52 niasa sy nonina tany Liban no tonga an-tanindrazana teny Ivato androany. Tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny fampodiana ireo teratany Malagasy tavela tany ivelany ity.

Manaja fepetra ara-pahasalamana izy ireo. Natao fitiliana PCR izy ireo nialohan’ny niainga tany Liban. Tsy maintsy natao fitiliana PCR ihany koa teny ampahatongavana teny Ivato androany, ary miandry ny valin’ny fitiliana any amin’ny toerana nanokanam-ponenana azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.