Mpiasam-panjakana: Miisa 7 547 ireo nandray karama nefa tsy hita hoe mankaiza

  • jeudi, 01 octobre 2020 16:58
  • Zakaria

Misy mpiasam-panjakana tsy hita hoe aiza no miasa nefa mandray karama tsy tapaka.

Nohamafisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa ireo olona nandray vola nefa tsy miasa na tsy voaisa ho mpiasam-panjakana ara-dalàna fa nandray volam-panjakana dia tsy maintsy mamerina izany avokoa, miampy ny fanesorana azy ireo anaty lisitra ary koa ny fanasaziana.

Miisa 7 547 izy ireo ary mbola eo ampanamarinana ny momba azy ireo ny ao amin’ny fitantanam-bola ankehitriny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.