Malagasy avy any ivelany: Nisy 187 tonga omaly

  • vendredi, 11 septembre 2020 12:15
  • Zakaria

Teratany Malagasy miisa 187 indray no tafody an-tanindrazana, nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alakamisy 10 septambra 2020.

Nihitsoka tany Chine talohan’ny nihidin’ny sisintanin’i Madagasikara noho ny valanaretina coronavirus. Tao Guangzhou izy ireo no nandray ny sidina Air Madagascar niazo an’Antananarivo.

Natao fitiliana PCR avokoa izy ireo teo ampahatongavana, avy eo nahiboka miandry ny valin’ny fitiliana natao azy ireo.

Afaka mamonjy fianakaviany ireo tsy ahitana tsimok’aretina Covid-19, alefa tsaboina avy hatrany ao amin’ny CTC Mahamasina kosa izay misy tsimok’aretina Covid-19 tamin’ny fitiliana natao azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.