Antsongo-Antsirabe I: Nitokona noho ny lisitra « Vatsy Tsinjo » tsy nazava ny mponina

  • jeudi, 10 septembre 2020 21:51
  • Zakaria

Tonga teny amin’ny biraon’ny Fokontany Antsongo-Antsirabe I ny Fokonolona ao an-toerana, androany Alakamisy 10 septambra tokony ho tamin’ny 9 ora maraina teo ho eo.

Manohitra ny famoahan’ny tompon’andraikitry ny Fokontany ny lisitr'ireo hisitraka « Vatsy Tsinjo » ny olona.
Tezitra ny maro fa tsy tao anatin’ny lisitra ny anaran’ireo izay tena hita fa sahirana, kanefa dia hitan’izy ireo tao anatin’ny lisitra ireo olona antsoin’ny eny an-tanana hoe “Debadeba” sy manan-katao, ary tsy azo heverina ho sahirana akory.

Raikitra ary ny tsoka kiririoka namoriana ny rehetra ary samy nijery ny anarany tao. Vao maika niakatra ny hatezeran’ny olona.

Milaza ny komity misahana io fakana anarana io fa samy noraisina avokoa ny anaran'ny mponina tokony hahazo, saingy teo imaso teo ihany dia nahazo horakoraka ary nambaran'ny mponina fa tsy marina izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.