Mpianatra « sortant ENS »: Miisa 627 miandry ny « contrat » sy ny « décision » nampanantenaina azy ireo

  • jeudi, 10 septembre 2020 15:40
  • Zakaria

Mitaky ny hivoahan'ny « contrat » sy ny « décision » ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) mba tsy ho ny olona niofana ho an'ny fanabeazana indray no hatao ambanin-javatra.

Nisy lisitr'ireo mpianatra ENS voaray ho mpiasam-panjakana nivoaka tamin'ny Janoary 2020. Nampanantena ny minisitra tamin'izany fa Aprily 2020 no mivoaka ny « contrat » sy ny « décision » ho an'ireo mpianatra miisa 627 tafiditra tao anaty lisitra.

Valo volana aty aoriana anefa tsy mbola ahitana mangirana ny fanatanterahana an’io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.