Vatsy Tsinjo: Nanjakan’ny kinamanamana sy fanodinkodinana

  • dimanche, 06 septembre 2020 12:04
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Miteraka resabe ny fizarana « Vatsy Tsinjo », na nampidirina an-tsehatra, nanadio ny lisitra hatramin’ireo minisitra sy mpiasan’ny ministera aza. Tsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany, fa na any amin’ny faritra aza dia andrenesana fimonomononana ary hatezeran’ny olona maro.

Ahodin'ireo olona ao amin’ny Fokontany sy mpikambana amin’ny Komity Loharano ny fanampiana amin’ny toerana sasany, ka vitsy amin’ireo marefo sy tena sahirana ara-pivelomana tokony hisitraka ilay « Vatsy Tsinjo » no nahazo.

Saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ny tranga tetsy Anosibe Angarangarana noho ny tranga toy io.
Ataon’ny sasany fitadiavam-bola ny karinem-pokontany amin’ny toerana sasany. Misy ireo ankohonana manana karinem-pokontany fa tsy hita amin’ny fotoana nilana azy ka tangosan’ny ao amin’ny Fokontany 10 000 Ariary.

Misy indray dia mpivarotra mpamongady no manangona ny vary « Vatsy Tsinjo » amin’ny sarety kely amin’ny vidiny 50 000 Ariary ny gony 50kg.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.