Ady amin’ny Covid-19: Manantena horaisina mpiasam-panjakana ireo nirotsaka an-tsitrapo
- dimanche, 06 septembre 2020 11:50
- Zakaria
Na tsy mbola tafavoaka tanteraka amin’ny ady amin’ny Covid-19 aza i Madagasikara. Porofon’izany ny mbola nanitarana 15 andro indray ny Fahamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.
Efa misy fivoarana makany amin’ny tsara kosa raha ny tarehimarika ofisialy avoakan’ny CCO, taterina isan’andro amin’ny haino aman-jery, mikasika ny fivoaran’ity valanaretina ity.
Nanana anjara biriky tamin’ny fahazoana izany vokatra izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo nantsoin’ny fanjakana, hiara-misalahy sy nifarimbona amin’ny ady amin’ny Covid-19.
Nisy ny fampanantenana ny handraisana ho mpiasam-panjakana azy ireo. Miandrandra ny fanatanterahana izany ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo ankehitriny.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.