Antohomadinika Antsalovana: Mirongatra ny fanendahana

  • dimanche, 06 septembre 2020 11:32
  • Zakaria

Mihamazo vahana ny asa ratsy, fanendahana olona eny amin’ny manodidina ny fiantsonan’ny fitateram-bahoaka mihazo an’i Mahitsy, eo Antohomadinika Antsalovana.

Mila ho isan’andro no ahenoana tranga.

Manao andiany ireo mpanendaka. Mitondra antsy lava ny sasany. Mitangorona amin’izay olona hendahany.
Miantso vonjeo ihany ny voahendaka fa tsy misy sahy mamonjy ny olona satria matahotra valifaty ataon’ireo mpanendaka.

Misy ny tratra fa tsy maharitra ela any Antanimora dia afaka, ary manohy ny asa ratsiny indray.
Tsy lavitra ny Poste de police Antaniavo sy ny Commissariat 67Ha ity toerana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.