Covid-19: Mitohy 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana

  • dimanche, 06 septembre 2020 08:57
  • Zakaria

Araka ny fanapahana avy amin’ny Filohampirenena dia noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 05 septambra 2020 ny didim-panjakana hanohizana ny hamehana ara-pahasalamana hoentina mandrindra ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « Fahamehana ara-pahasalamana» manomboka ny 05 septambra 2020 ary mihatra avy hatrany.

Ireo fepetra rehetra sy ny andinidininy mikasika ny lamina sy ny fandrindrana rehetra hoentina miatrika ny 15 andro manaraka dia hohazavain’ny Filoham-pirenena mandritra ny fandaharana manokana hotanterahana anio alahady 06 septambra 2020 amin’ny 08 ora alina ao amin’ny Televizionina Malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.