OMBAY MITADY i ARO

  • samedi, 05 septembre 2020 11:05
  • Zakaria
  • Sary nomena

Hiantsena no nivohany ny trano omaly zoma 04 septembra 2020, tokony ho tamin'ny 09ora maraina, tsy niverina i Andriantsiva Ny Riana Aroniaina na i Aro hatramin’izao.

Miantso fifarimbonana sy fanampiana ny ray aman-dreniny hitadiavana an’ity zazalahikely amin’ny sary ity.

Manao short kely « vert armé » sy tee shirt orange misy tanany mainty i Aro.
Nanao kiraro lamba espadrille efa malotoloto.
14 taona i Aro, ary hiatrika fanadinana BEPC amin’ity taona ity.
Eny Ambohidratrimo no monina i Aro, ary andeha eny amin'ny tsena Ambohidratrimo ihany izy izao tsy hita izao.

Hilazao ny Zandarimaria akaiky, na antsoy ny Laharana 033 09 302 59 na ny 034 84 585 03.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.