Coronavirus: Misy sahady ireo olona misoloky ho mpiasan'ny fahasalamana
- mercredi, 25 mars 2020 13:08
- Zakaria
- Tahirin-tsary fanehoana
Misy sahady ireo olona nitady hisoloky ho mpiasan'ny fahasalamana ary miaraka amin'ny fiara mihitsy izy ireo milaza fa isan'ny ireo dokotera mizaha manokana ny resaka "Coronavirus" mitety –tokantrano, araka ny fampitam-baovao nataon’ny avy eo amin’ny Polisim-pirenena.
Ny fiara avy any amin'ny C.C.O (Centre de Commandement Opérationnel) ihany no afaka manao izany izay ahitana mpiasan'ny fahasalamana sy mpitandro ny filaminana ao anatiny, hoy ny Polisim-pirenena.
Mampahafantatra ireto farany fa « miantso ary mampandre mialoha ilay olona hozahana fahasalamana ny ekipa CCO-COVID-19 vao tonga eny an-toerana ».
Manentana ny Vahoaka ny Polisim-pirenena « mba hiantso ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra raha sendra ny tranga mifanohitra amin'ireo voalaza etsy ambony ireo ».
(Jereo Sary Tohiny)
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
https://sobikamada.com/index.php/tselatra/item/22764-coronavirus-misy-sahady-ireo-olona-misoloky-ho-mpiasan-ny-fahasalamana.html#sigProGalleria1d7b5b341a
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.