Tselatra

    • jeudi, 14 janvier 2021 17:53
    • Sary nindramina

    Tanambao Verrerie-Toamasina : Trano 18 tafo kilan’ny afo

    Nitrangana haintrano tao Tanambao Verrerie androany maraina. Olona nampirehitra afo maraina, tamina tokantrano iray, tsy voafehy no niandohan’ny firehetana. Trano 18 tafo no kila. Niditra an-tsehatra namono ny afo ny mpamono afon’ny tanànan’i Toamasina.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 16:17

    Fiadidiana ny Repoblika : Nanangana rafitra hanara-maso sy hanenjehana ireo mpanao hosoka

    Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana mametraka eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny ANAF, na ny Agence Nationale Anti-Fraude, mba hanaraha-maso ireo hosoka sy hanenjehana ireo mpanao hosoka araka izay voafaritra ao anatin’ny lalàna. Hanao ny fanadihadiana rehetra manodidina ireo hosoka rehetra ny ANAF, ary hiara-hiasa akaiky tanteraka amin’ireo sampan-draharaham-panjakana mahefa mpampihatra ny lalàna araka ny fahefana nomen’ny lalàna azy ireny.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 16:09
    • Sary Njaka

    Volamena 73.7kg : Napetraka mialoha tao anaty fiaramanidina ireo volamena hoy ny ladoany

    Nanizingizina ny teo anivon'ny fadin-tseranana fa napetraka mialoha tao anaty fiaramanidina ireo volamena saika ahondrana tany Afrika atsimo. Mbola mitohy ny fanadiadiana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 13:08
    • Sary nindramina

    Covid-19 : Vita vaksiny ny Papa François sy Benoît XVI

    Nanomboka ny 13 janoary 2021 ny hetsika fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19 ao Vatican. Efa samy nahazo anjara daozy voalohany avy ny Papa François sy ny Papa émérite Benoît XVI, androany maraina ity farany no vita vaksiny. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 11:59

    Covid-19 : Voarara ny famorian'olona mihoatra ny 50

    Hiverina hisokatra ny eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka hanao fitiliana ireo marary misy soritr'aretina. Noraisina ny fepetra fandraràna ny famorian'olona mihoatra ny 50, ka faritra 4 no voakasik’izany dia Boeny, Haute Matsiatra, V7V, Analamanga. Hamafisana ny fanaovana ny arovava ary ny fitandreman-tenan'ny tsirairay mba hisorohana tanteraka ny tsy hiverenana amin'ny fihibohona izay tsy ho zakantsika intsony. Tao anatin'ny herinandro dia tafakatra 234 ny tranga vaovao, ary niisa 5 ireo maty noho ny Covid-19.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 11:58

    Taom-pambolenkazo 2021 : Hatao any Tolagnaro ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy

    Ny 19 Janoary 2021 no hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo 2021, ka any Tolagnaro no hanatanterahana izany. Hatao amin’io fotoana io koa ny Andron’ny fambolen-kazo any an- tsekoly na ny « Journée de reboisement scolaire » manerana ny Nosy izay mitondra ny lohahevitra hoe : « Mamboly hazo tia tanindrazana, mandoro ala mandoro tanindrazana ».  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 10:13

    Fandaharanasa PEM : Nahemotra andro vitsivitsy ny fampahafantarana

    Nahemotra, raha tokony hatao ny 19 janoary 2021 ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny fandaharanasa PEM (Plan Emergence de Madagascar). Noho ny fandaminana isan-karazany sy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ka hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo 2021 any Tolagnaro amin’io andro io no voalaza antony.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 12 janvier 2021 19:37

    Raharaha volamena 73,5kg : Tsy afaka ny hanangana vaomiera mpanao famotorana ny Antenimieram-pirenena

    Nivory teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Vaomieran’ny « ressources stratégiques » eo amin’ny Antenimieram-pirenena androany 12 janoary 2021 maraina, manoloana ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko. Nanome fanazavana ny filohan’ny Vaomiera Mohamad Ahmad fa efa eny anivon’ny Fitsarana ny famotorana, noho izany dia tsy afaka ny hanangana vaomiera mpanao famotorana intsony ny Antenimieram-pirenena. Tsy manakana anefa izany ny hitadiavan’izy ireo ny vaovao mari-pototra satria amin’ny maha-solombavambahoaka azy ireo, ary amin’ny maha-raharaham-pirenena ny zava-mitranga dia maro ny vahoaka no mangataka fanazavana sy mitaky ny marina mahakasika izany.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 janvier 2021 20:07
    • Sary nindramina

    Marodoka-Nosy Be : Lehilahy lehibe iray hita faty nihantona tamin'ny hazo

    Hatairana ny an'ny olona nahita faty nihantona tamin'ny sampan-kazo iray tao Marodoka, Nosy Be androany atoandro. Lehilahy manodidina ny 50 taona eo ilay hita faty. Tsy mponina ao amin'ny Fokontany izy io raha ny angom-baovao hatreto.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 janvier 2021 15:17

    COVID-19 : Nisy fitomboana tranga taorian’ny fetin’ny faran’ny taona

    234 ny marary vaovao, 149 ireo sitrana vaovao ary 05 nodimandry. Santionany amin’ny tarehimarika mikasika ny valanaretina Covid-19 herinandro taorian’ny fety, teo anelanelan’ny 2-8 janoary 2021, ireo. Faritra miisa 11 no nahitana ireo tranga vaovao ireo, saingy ny Faritra Analamanga sy Boeny no be tranga maro indrindra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 10 sur 621