Tselatra

    • mardi, 19 janvier 2021 08:25
    • Sary nindramina

    Antenimierandoholona : Ndremanjary Jean André sy Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana no hitarika fivoriana

    Ny senatera zokiolona Ndremanjary Jean André sy ny zandriolona Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana no hitarika ny fivoriana manokana sy voalohan’ireo senatera vaovao mandrafitra ny Antenimierandoholona. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 08:21

    Anosibe : Trano 33 tafo ravan’ny afo

    Nitrangana haintrano teny Anosibe andrefana omaly alatsinainy 18 janoary maraina. Trano 33 tafo ravan’ny afo. Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo, fa setroka nijolofotra no nanaitra ny olona, efa lasa tany amin’ny asa fihariana. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra namono ny afo. Ora roa teo vao voafehy izany. Fianakaviana 55 eo no traboina naterak’ity haintrano ity. Maro tamin’izy ireo no very fananana, nisy nanararaotra tao anaty fikoropahana sy famonjena voina nangalatra ny fananan'ny hafa.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 08:17

    Tontolo iainana : Hosokafana anio any Tolagnaro ny taom-pambolenkazo 2021

    Hanamarika ity andron’ny 19 janoary ity ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolenkazo 2021, izay hatao any Tolagnaro. Hanatanteraka izany koa ny sekoly rehetra.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 janvier 2021 12:10
    • Loharano Météo Malagasy

    Rivodoza : Mizotra manantona an’i Madagasikara ilay rivodoza « Eloise »

    Lasa rivodozaomaly alahady maraina ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasimbe Indiana ka nomena ny anarana hoe : « Eloise ». Mikisaka haingana miakandrefana somary atsimo-andrefana i ELOISE tao anatin’ny 24 Ora farany. Tamin’ny 09 Ora teo dia tany amin’ny 720 Km Atsinanana somary avaratra-atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny. Mahatratra 25 Km/ora ny hafainganam-pandehany, ary tsy niova ny heriny fa mitondra rivotra 65 Km/Ora sy tafiotra 90 Km/Ora.
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 janvier 2021 11:56

    Covid-19 : Ireo CSB2 eto Antananarivo - Renivohitra mandray an-tanana ireo olona misy soritr'aretina

    Araka ny nambaran'ny eo anivon'ny DRSP (Direction Régionale de Santé Publique) Analamanga dia afaka mandray ny olona rehetra izay misy soritr'aretina Covid-19 ireo CSB II miisa 8 eto Antananarivo Renivohitra dia : - CSB 2 Isotry Central- CSB 2 Ambohitsoa- CSB 2 Ampasanimalo- CSB 2 Antanimena- CSB 2 Mahamasina- CSB 2 Analamahitsy- CSB 2 Amboniloha- CSB 2 Ambohimanarina  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 janvier 2021 11:04

    Covid-19 : Nisy tranga vaovao 300 tao anatin’ny herinandro ka avy eto Analamanga ny 183

    Olona enina (6) no namoy ny ainy vokatry ny Covid19 teto Madagasikara, teo anelanelan’ny 9 hatramin'ny 15 Janoary 2021. Nisy tranga vaovao 300 tamin’ireo fitiliana niisa 2512 natao. Amin’ireo faritra 15 ahitana tranga, dia 6 no tsapa fa ahitana fitomboana dia Analamanga (183), avy eto Matsiatra Ambony (31), Vatovavy Fitovinany (18), Boeny (16), Anosy (12) ary Atsimo Andrefana (11). Nisy olona iray tamin’ireo tonga avy any ivelany ihany koa voa, nosokajiana ho « cas importé ».Tafakatra 18 301 ny isan'ny olona voa hatramin'izay nidiran'ny valan'aretina teto Madagasikara tamin’ny marsa 2020. Niampy 162 ny isan'ireo sitrana, ka tafakatra 17 609 izy ireo.419 ireo mbola manaraka fitsaboana.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 janvier 2021 19:16

    ACM : Miantona ny sidina manokana any ivelany

    Namoaka fanambaràna ny eo anivon'ny Aviation Civile de Madagascar izay mandrindra ny fifamezivezena an'abakabaka sivily eto Madagasikara, fa : - Miantona ny sidina manokana iraisam-pirenena (Vols privés internationaux suspendus)- Ny Evacuation Sanitaire na EVASAN ho an'ireo fiaramanidina mitondra marary dia mila fanomezan-dalana mialoha avy amin'ny tompon'andraikitra voakasik'izany- Ny zotra fampodiana Malagasy na ireo vahiny monina eto (vol de rapatriement) dia mila fanomezan-dàlana manokana avy amin'ny ACM, indrindra ireo higadona etsy Ivato izay mila fanomezan-dàlana mialoha manokana
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 20:21

    Sekoly FJKM : Nosokafana ofisialy androany ny taom-pianarana 2020-2021

    Natao tao Arivonimamo androany ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2020-2021 eo anivon'ny Sekoly FJKM manerana ny Nosy. Nitondra am-bavaka izany ny filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina.Nandritra izany dia nisy ny fankasitrahana manokana ireo mpianatra mendrika nandritra ny taona lasa.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 11:17
    • Sary nindramina

    Anahidrano-Antsohihy : Noravain’ny “Vara-mandady” ny Lycée

    Rava tanteraka ny Lycée Anahidrano, Distrik’Antsohihy noho ny rivo-mahery mifofofofo antsoina hoe “Vara-mandady” ny 01 janoary 2021. Nidina ifotony nijery ny zava-nitranga ny Governoram-paritra sy ny Solombava-bahoaka voafidy tao Antsohihy, ary harenina avy hatrany izany toeram-pianarana izany. Hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ny asa fanarenana mba hahafahan’ireo mpianatra manohy ny fianarana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 janvier 2021 08:53
    • Sary nindramina

    Bejofo-Ambatondrazaka : Nopaohin'ny rambondanitra ny tafon'ny EPP sy CEG

    Vokatry ny rambondanitra ny harivan'ny alatsinainy 11 janoary 2021 teo dia efitranon-tsekoly 5 no rava tao amin'ny Kaominina Bejofo, ka 3 tao amin'ny EPP ary 2 tao amin'ny CEG. 30 mianaka no tsy manan-kialofana noho ny fahasimban'ny tranon'izy ireo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 8 sur 620