Tselatra

  • Mpitari-posy ahiana ho mpanendaka
    Mpitari-posy ahiana ho mpanendaka
    • mercredi, 28 octobre 2015 10:10
    • Photo Fournie

    Tsiliva : Mpitari-posy ahiana ho mpanendaka amin’ny alina

    Nosamborin’ny polisin’i Toamasina i Jean Metiste na i Tsiliva, mpitari-posy malaza, ahiana ho mpanendaka olona amin'ny alina. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy fa misy mpitati-posy mitsikomba amin’ny jiolahy, manendaka amin’ny alina. Voatonona tamin’izany i Tsiliva. Voatondro ho mitazona fitaovam-piadiana ambalahana sy fanafody gasy ity farany. Tsy nahitana an’ireo anefa teny aminy tamin’ny fotoana nisamboran’ny polisy azy. Notazomin’ny polisy anaovana fahadihadiana izy, ary mitohy ny fikarohana ireo heverina ho mpiray tsikombakomba aminy.
    Lire la suite ...
  • Tale Jeneraly eo anivon'ny Topografia RASOLOMAMPIONONA HASIMPIRENENA
    Tale Jeneraly eo anivon'ny Topografia RASOLOMAMPIONONA HASIMPIRENENA
    • mardi, 27 octobre 2015 15:05
    • Photo: Njaka

    Mifampiaro ny Fanjakana: Raikitra ny angaredona

    Nanambara tamin'ny mpanao gazety androany ny tale Jeneraly eo anivon'ny Topografia RASOLOMAMPIONONA HASIMPIRENENA tetsy Anosy fa ny tany etsy amin'ny labatoara Andohatapenaka dia voalaza mazava tsara fa dia an'ny fanjakana.
    Lire la suite ...
  • Pierre Andrianantenaina, ankavanana amin'ny sary, nanatontosa ny sivana izay ho Ben'ny tanàna amin'ny anaran'ny Mapar.
    Pierre Andrianantenaina, ankavanana amin'ny sary, nanatontosa ny sivana izay ho Ben'ny tanàna amin'ny anaran'ny Mapar.
    • mardi, 27 octobre 2015 08:49
    • Photo: Sobika

    Nodimandry i Pierre Andrianantenaina.

    Tamin'ny roa ora maraina ny alatsinainy hifoha Talata no nodimandry tao antranony eny Ambolokandrina i Pierre Andrianantenaina. Fantatra tamin'ny tolona mavaivay izay nandraisany anjara hatrany na tamin'izy mbola lehiben'ny SECES mpampianatra mpikaroka teny amin'ny Polytechnique, i Piera Kely moa no nahalalan'ny maro azy fony izy nampianatra Beton armé, lehiben'Antoko Farimbona, nanana onjam-peo, mpitolona tamin'ny faha Hery velona, fototry ny tolona tamin'ny 2009, mpanolotsaina manokana tamin'ny tetezamita, ary mpikambana mavitrika tao amin'ny MAPAR.Mirary fihononana ho an'ny fianakaviana ny ekipan'ny Sobika iray manontolo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 26 octobre 2015 13:22
    • Photo: Njaka

    Andohatapenaka: Miala any ny hery famoretana

    Tonga vao maraina teny Andohatapenaka ny fitaovana vaventy nandrava ny fototr'ireo abatoir teo aloha.Nisy olona teo amn'ny dimapolo teo ireo mpomba an'i filoha teo aloha Ravalomanana no namaly ny antsony hiara hientana anakana izany fandravana izany. Maro anefa ireo Emoreg efa niantrana teny an-toerana ka nihemotra ireto mpanara-dia an'i Ravalomanana ireto.
    Lire la suite ...
    • samedi, 24 octobre 2015 08:44
    • Photo: Net

    Toamasina : Toaka gasy 840 litatra tratra

    Niainga avy any Saranazy, Kaominina Ambodilazana ireto toaka gasy ireto ary saika hamidy ao Toamasina no saron’ny polisy tao Betainaomby niaraka tamin’ireo roalahy nitondra azy. Notsinjaraina tamina jerikana miisa 24 ny toaka. Raha ny lalàna dia miankina amin’ny fandoavan’izy ireo ny sazy 1.000 Ariary isaky ny litatra ny famonjana azy roalahy ireo na tsia.
    Lire la suite ...
  • Mpisoloky Toamasina
    Mpisoloky Toamasina
    • samedi, 24 octobre 2015 07:54
    • Photo: Sobika Toamasina

    Fisolokiana : Olona roa naiditra am-ponja ao Toamasina

    Milaza ho mpampitombo vola hay misoloky gaigilahy. Vola fito tapitrisa Ariary be izao no lasibatra tao Tanambao V Toamasina. Dimy lahy no niketrika azy saingy tafaporitsaka ny telo raha tonga hisambotra azy ireo ny polisy, ka ny roa no tratra ambodiomby niaraka tamin’ireo fitaovana fampiasany.
    Lire la suite ...
  • Depioten’i Tolagnaro Ijo.
    Depioten’i Tolagnaro Ijo.
    • vendredi, 23 octobre 2015 19:13
    • Photo Net

    Kere any atsimo : «Tena misy» hoy ny depioten’i Tolagnaro Ijo

    Tsy misy tokony hanafenana ny fisian’ny kere any atsimo hoy ny depioten’i Tolagnaro Ijo. «Inona no mahatonga ireo mpitatitra vaovao any amin'ny fitondrana foibe hilaza fa tsy misy zany kere zany any atsimo. Mety hofitadiavana ranondranony sy misolelaka no ao ambadik'izany», hoy izy manohy ny fanazavana. Tsara hoy ity solombavambahoaka ity raha manadihady any ifotony ireo haino aman-jery sy gazety an-tsoratra tsy miankina ahafantarana ny zava-misy marina, hialana amin’ny honohono. Fa manaitra ny fitondrana ihany koa ny depiote Ijo fa efa enin-taona izao no tsy nanana kianja fanaovam-baolina ny tanora any Tolagnaro, taorian’ny nitrongisana ny ao Ampasamasay. Hampiantrano ny fifaninanana nasionaly amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly anefa ny DREN Anosy amin’ny taona 2016. Ho avy ao an-drenivohitry ny faritra Anosy ny mpianatra avy amin'ny DREN 22 manerana ny Nosy, nefa tsy misy ny foto-drafitr'asa handraisana an’izany.
    Lire la suite ...
  • Reverend docteur RAKOTONIRINA David izay filohan'ny SPanta
    Reverend docteur RAKOTONIRINA David izay filohan'ny SPanta
    • vendredi, 23 octobre 2015 17:52
    • Photo: Njaka

    Ady tany FLM Androhibe

    Nahazo fandresena teo anivon'ny fitsarana ry zareo teo anivon'ny FLM raha ny fanambarana nataon'ireto mpitarika ny Fiangonana ary miantso ireto farany mba tsy hisian'ny fiantsiana intsony, hoy ny Reverend docteur RAKOTONIRINA David izay filohan'ny SPanta.  
    Lire la suite ...
  • Zaza nihetraketrahan'ny foroches Sambava
    Zaza nihetraketrahan'ny foroches Sambava
    • jeudi, 22 octobre 2015 22:12
    • Photo: Sobika Sambava

    Sambava : Mifamono ny samy mpianatra, zazalahy 12 taona vaky loha

    Vao manomboka ny taom-pianarana dia raikitra sahady ihany koa ny fifamonoana eo anivon'ny ireo andian-jatovo ao Sambava, maka tahaka ny fihetsika mahery vaika ataon’ny «Foroches» any Antsiranana. Androany alakamisy hariva, avy nirava mpianatra tokony tamin'ny 5 ora sy sasany teo, dia raikitra ny tora-bato sy tifitra flesy efa novatsiana tany anaty kitapo nifanaovna andiana mpianatra, ka ny avy ao Antanifotsy nifampitana tamin'ny mpianatra avy ao Antaimby (Atsimo sy Avaratra).
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 octobre 2015 08:53
    • Photo: Net

    Antsirabe : Hanomboka anio ny festival Z'Ovy

    Andiany faharoa ny amin'ity, handraisan'ireo Distrika fito mandrafitra an'i Vakinankaratra anjara, ka hibahana amin'izany ny fampirantiana ireo vokatra mampiavaka ny isan-distrika. Hisy koa ny fifaninanana ara-kolontsaina.
    Lire la suite ...
Page 621 sur 636