Tselatra

    • mercredi, 02 décembre 2015 14:22
    • Photo: Njaka

    Tetik'asa lalan-kely : Manomboka ny asa fanavaozana

    Mitohy ny tetik'asa lalan-kely, anatin'izany ny fanatsarana ireo lalana simba eny amin'ny faritra iva. Mandray anjara sy manohy ny asany ihany koa ny eo anivon'ny fokontany.
    Lire la suite ...
  • BOTIKA Orange Ambolomadinika – Toamasina
    BOTIKA Orange Ambolomadinika – Toamasina
    • mardi, 01 décembre 2015 20:02
    • Photo: Sobika Toamasina

    Ambolomadinika–Toamasina

    Notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny “BOTIKA Orange”, very ny 600 000 Ariary.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 décembre 2015 15:57
    • Photo: Net

    Ifanirea - Ikongo : Izy maty voatifitra, very ny 1,7 tapitrisa ariary sy volamena 20 grama

    Raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano notifirin’ny jiolahy nandritra ny fanafihana ny toeram-pivarotany tao Ifanirea, distrikan’Ikongo, faritra Vatovavy Fitovinany ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ny jiolahy ny lelavola 1,7 tapitrisa ariary, volamena 20 grama sy entana saro-bidy hafa.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 décembre 2015 14:18
    • Photo: Njaka

    Sindikan'ny artista : Tsy manaiky ny hialàn'ny Talen'ny OMDA

    Nampiantso ny sindikan'ny artista ny ministeran'ny kolontsaina. Ireo artista dia tsy manaiky ny anesorana ny Talen'ny OMDA ary milaza fa mety hisy ny filatsahana an-dalam-be raha toa ka mbola mitohy izao disadisa izao.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 décembre 2015 13:59
    • Photo: Njaka

    Ankatoky ny Noely

    Efa manomboka hita eny an-tsena ireo ravaka sy kojakoja mahakasika ny fetin'ny Noely .
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 décembre 2015 08:56
    • Photo: Net

    Sakaraha : Mpianaka avy nivarotra omby norobain’ny dahalo

    Teny an-dalana izy mianaka no nifanehitra tamin’ny malaso mpanakan-dalana. Nalain’ireo dahalo dimy, nirongo basy ny iray, ny entana rehetra zakan’izy ireo tao anaty sarety. Mbola nentin’ireo mpandroba ihany koa ny ombin-tsarety roa. Iny hikasa hanohitra tamin’ny fakana an-keriny ny fananany iny ity tovolahy iray 21 taona no voafira famaky teo amin’ny lohany, raha voambana basy tsy afa-nihetsika ny rainy. Miady amin'ny fahafatesana ity zatovolahy ity amin'izao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 novembre 2015 13:34
    • Photo: Njaka

    Mega don de sang

    Hetsika faobe izay notanterahina manoloana ny tranombokim-pirenena eo Anosy ny alatsinainy 30 novambra 2015, marihina fa mitohy mandritra ny dimy andro misesy izao hetsika izao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 novembre 2015 13:26
    • Photo: Sobika

    Fiaraha-miasa : 25 taona niara-niasa Stavanger sy Antsirabe

    Nankalazaina tamin'ny fomba tsotra ny faha-25 taona ny fiaraha-miasa eo amin'ny kaominina Stavanger (Norvezy) sy ny tananan'Antsirabe, izay nivelatra tamina lafin-javatra maro izany. Isan'ny nisongadina tamin'izany ny lafiny tontolo iainana sy ny fanadiovana ny tanàna, ny lafiny demokrasia sy ny Fanjakana tsara tantana. Marihina fa mpirahavavy ireto kaominina roa ireto ary isan'ny nampiroborobo izany Rtoa Olga Ramalason, fony izy Ben'ny tananan'Antsirabe. Razanakolona Paul Ramasitera no Ben’ny tanànan’Antsirabe ankehitriny.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 novembre 2015 13:25
    • Photo: Net

    Lycée Moderne Ampefiloha

    Hankalaza ny faha-dimapolo taonany ny Lycée Moderne Ampefiloha, maro ny hetsika entina hanatanterahina izany.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 novembre 2015 08:47
    • Photo Reuteurs

    COP21 : Manan-danja ny toeran’i Afrika

    Hisokatra anio any Paris ny andiany faha-21 amin’ny fihaonambe iraisam-pirenena handinihana sy handraisana fepetra amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. 4% ny entona manimba ny sosona Ozona ihany no avy aty Afrika, nefa i Afrika no tena mizaka ny fahavoazana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny 6 amin’ireo firenena 10 tena lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, na haintany na tondradrano dia aty Afrika avokoa. Hanan-danja araka izany ny toeran’i Afrika mandritra ity COP21 ity.
    Lire la suite ...
Page 617 sur 638