Tselatra
-
- samedi, 19 septembre 2015 19:03
- Photo Net
Burkina Faso
Mirehitra ny tanànan'ny Ouagadougou Burkina FasoLire la suite ... -
- samedi, 19 septembre 2015 13:57
- Photo: Fournie
Lozam-pifamoivoizana tetsy amin'ny digue
Nifandona nifanatrika ireto taxi-be roa ireto tetsy amin'ny digue manakaiky ny Jumbo noho ny fandehanana mafy loatra sy fietraketran'ireo mpamily. Nivadika ny iray tamin'izy ireo noho ny hamafin'ny fifandonana, nisy ny maratra ka nentina notsaboina aingana teo amin'ny hopitaly. Mila fanasaziana enjana ireto mpamily tsy manaja ny asa sy ny mpandeha ireto fa dia efa maro loatra ny loza aterak'izy ireo. Ny saran-dàlana anefa dia lafo na dia nisy aza ny fampanantenana hanatsarana ny zotra dia toa nandalo dia niserana fotsiny, tsy nisy fanaraha-maso akory izany.Lire la suite ... -
- vendredi, 18 septembre 2015 20:45
- Photo: Fournie
Fitsarana ny fifidianana Mahajanga
Efa nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ny fotoam-pitsarana ireo 427 fitoriana voarain'ny fitsarana momba ady amin'ny fifidianana ben'ny tanàna any Mahajanga. Rehefa nandrasana elaela ny minisitry ny atitany, dia natomboka ny fotoana.Manatrika izany ny kandida avy amin'ny Mapar Mokhtar Andriantomanga izay voalazan'ny CENI-T fa nandresy vonjy maika. Hatramin'izao efa alina izao anefa dia mbola tsy vita izany famakiana ny didim-pitsarana ny Faritany Mahajanga izany.Satria tokoa mety atao farany ny ao antampotanàna sao tsy misy olona tavela intsony ao andapa.Ny Filohan'ny fitsarana aza moa dia nisangy kely hoe, manafara kafé ianareo fa ho lava alina ity raharaha ity.Lire la suite ... -
- jeudi, 17 septembre 2015 13:22
- Photo: Njaka
Soarano
Trano iray tetsy Soarano no voatery noravana noho ny fahanterany. Ry zareo teo anivon'ny CUA no nanantanteraka izany.Lire la suite ... -
- jeudi, 17 septembre 2015 13:18
- Photo: Njaka
PDS CUA Colonel RAMIARAMANANA Joseph
Nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly ny PDS misahana ny tanànan'Antananarivo nilazalazany ny zava-bitany sy ny mpiara-miasa aminy, nandritra izay fotoana nitazonany ny andraikitra teto Iarivo izay.Nandritra izay volana vitsivitsy izay, nanomboka ny volana may hatramin'izao Septambra 2015 izao, dia niompana betsaka tamin'ny fanatsarana ny andavanandrom-piainan'ny mponina ny zava-kinendrin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Ny fametrahana ny fahadiovana amin'ny lafin'ny fitantanana, ny toe-tsaina sy ny amin'ny endrika ivelany no vain-dohan'asa amin'izany.Lire la suite ... -
- jeudi, 17 septembre 2015 10:19
- Photo: Sobika Ambatondrazaka
Alaotra Mangoro : Tafatsangana ny vovonam-paritry ny tontolo iainana
Nijoro omaly ao Ambatondrazaka ny vovonam-paritra ho an’ny tontolo iainana. Vovonana izay hakan-kevitra mahakasika ireo olona ateraky ny fampiharana lalàna momba ny fikajiana ny tontolo iainana izy ity.Lire la suite ... -
- mercredi, 16 septembre 2015 22:44
- Photo: Net
Ambaniala – Ambatondrazaka : Raim-pianakaviana iray maty novonoin’ny dahalo
Notafihina andian-jiolahy mitam-basy mahery vaika ny tao amin’ny zanabohitra Ambaniala Kaominina Ambadrika Distrika Ambatondrazaka halina. Vao niditra ny tanàna izy ireo dia nanapoaka basy ka raiki-tahotra ny iray tanàna. Nandritra izany dia nisy raim-pianakaviana iray sahy nivoaka ny trano sady nitsoka kiririoka nitaona ny mponina hanohitra ireo dahalo. Vao maika nanamafy hidin-trano ny olona tsy nisy sahy nivoaka ka mora tamin’ireo olon-dratsy ny namono an’ity ray aman-dreny ity. Rehefa hitan’ireo jiolahy fa maty izy dia lasa ireo dahalo nandeha niaraka tamin’ireo omby ampolony.Lire la suite ... -
- mercredi, 16 septembre 2015 18:27
Fakana an-keriny : Zaza efa-taona nanjavona teo ampilalaovana
Sendra nilalao teo an-tokontany ilay zaza no nanjavona tampoka teny Antanambao Ambohimangakely - Avaradrano, ny alatsinainy. Nanao fikarohana ny ray aman-dreniny sy ny fiaraha-monina ary nampilaza ny zandarimaria rehefa afa-nenina.Lire la suite ... -
- mardi, 15 septembre 2015 18:50
- Photo: Net
Tolagnaro : Niserana fotsiny ihany
Tonga tamin’ny fiaramanidina tao Tolagnaro ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampinina nitarika ny delegasiona nanokatra ofisialy ny hetsika nasionaly ny fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny lefankozatra tany Tsihombe omaly. Vao tonga dia nandray helikoptera avy hatrany izy ireo taorian’izay. Gaga ny mponina ao Tolagnaro manoloana izany, hoe tonga ihany ve dia tsy mba nandalo namangy tao an-tanàna sa tsy faly amin’ny tsy nifidianan’i Tolagnaro ny kandidan’ny HVM tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo ?Lire la suite ... -
- mardi, 15 septembre 2015 17:02
- Photo Sobika Mahajanga
Mahajanga : Mpitondra moto scooter tafatsofoka tao ambany Bus
Nisongona bajaj ity lehilahy iray mpitondra moto ity no voadon’ny Bus teny amin’ny Pont FITIM io tolakandro io. Naratra mafy teo amin’ny tongony ilay rangahy vokatra ny fifandonana niseho. Nandeha mafy ilay moto ka izay no nitarika ny fifandoana teo aminy sy ilay Bus. Tafiditra tao ambanin’ilay fiara mihitsy io moto io. Tsy nanao aroloha anefa ilay mpitondra azy.Lire la suite ...
Page 614 sur 621