Tselatra

    • lundi, 25 janvier 2021 10:03
    • Sary nindramina

    Ivato : Nirodana tampoka ny tambohon'ny 1er RFI

    Nianjera omaly tokony ho tamin'ny 4 ora tolakandro ny tamboho lehibe an'ny toby miaramila 1er RFI Ivato. Efa nanomboka tamin'ny taona 2019 ny mponina manodidina no nifampiresaka tamin'ny tompon'andraikitra nanao io asa io sy ny ao amin'ny RFI satria tena tandrevaka tanteraka ny nanaova ny asa. Mihantona eo ambony tany fotsiny ny fototra, ny tamboho nefa avo be efa ho 3m. Avy ny orana omaly dia izao niafara amin'ny fianjerany amin'ny andro mbola atoandro izao, fotoana mbola mahabe mpandalo.Mahatratra eo amin'ny 100m mahery eo ny halavan'io rava io. Voalaza fa ny Ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy no tompon'andraikitra amin'ny fotodrafitr'asa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 25 janvier 2021 10:01
    • Sary nindramina

    Famonoana sy fampandoalihana Zandary : Olona 18 no voasambotra tao Tanambao Besakay

    Olona 18 no efa voasambotra voarohirohy tamin’ny famonoana Zandary sy fampandoalihana Zandary sy Ben'ny ala tao Tanambao Besakay, Distrika Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Anisany voasambotra ilay vehivavy nanaparitaka ny sarin'ireo mpiasam-panjakana tamin'ny Tambazotra serasera.Mbola karohina ireo nitsoaka. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 20:15
    • Sary nindramina

    Antsiranana : Tapaka ny famatsian-drano, « citerne » no mitety kartie mizara

    Nisy fahasimbana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Eloïse ny fantsona be ao Besokatra Antsiranana. Tapaka ny famatsian-drano ny tanànan’Antsiranana vokatr’izany. Nafarana any Antananarivo ny kojakoja ilaina amin’ny fanamboarana. Eo ampiandrasana ny fahavitan’ny asa hiverenan’ny famatsian-drano amin’ny laoniny dia nametraka vahaolana vonjimaika ny faritra DIANA. Misy fiara be « citerne » mitety ny kartie mizara rano nanomboka omaly sabotsy, ary hitohy hatramin’ny alatsinainy 25 janoary 2021, ka ireo kartie be mponina sy tena sahirana amin’ny rano no natao laharam-pahamehana, dia Barman SCAMA, Ambalakazaha, Morafeno (Jerosalema), Ambohimitsinjo sy Ambalavola, Oniversite (Belle rose) ary Lycée Mixte. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 20:03

    Covid-19 : 442 ireo tranga vaovao, 6 namoy ny ainy

    2968 ireo fitiliana vita teo anelanen’ny 16 ka hatramin’ny 22 janoary 2021. Ny 442 tamin’ireo dia voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina Covid-19, ka ato amin’ny faritra Analamanga ny 252 amin’ireo tranga vaovao ireo, ao Matsiatra Ambony ny 60 ary Atsinanana ny 55. Ifampizaran’ny faritra 12 ny ambiny. Nisy 6 ireo lavon’io valanaretina io tamin’ity herinandro ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 14:38

    Vary aloha : Miantoka ny 10% ny fandaniana ara-bary manerana ny Nosy

    Nisy fahatarany ny famokarana vary noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Ny vary aloha anefa, araka ny antotanisa avy eo anivon’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, dia mizaka ny 10% ny fandaniana ara-bary manerana ny Nosy. Fantatra fa hametrahana ny “brigade riz”, isaky ny faritra tena mpamokatra vary, izay teknisianina hanentana sy hitan-tsoroka ny mpamboly amin’ny lafiny teknika ary hanara-maso akaiky ny famokarana eto Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 14:19
    • Sary nomena

    Radio - Télé Catholique Masôva : Fahitalavitra katôlika voalohany eto Madagasikara

    10 taona niorenena ny Radio Catholique Masôva ao Androranga Toamasina. Nivoatra ho Radio - Télé Catholique Masôva izy ankehitriny. Ity no fahitalavitra katôlika voalohany eto Madagasikara. Nanome voninahitra ny fitokanana izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny sabotsy 23 janoary 2021. « Amin’izao androntsika izao dia ilaina ny fampitam-baovao marina, ilaina ny fanabeazana sy ny fitaizana ny olona ara-panahy koa miarahaba manokana ny tenako », hoy izy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 23 janvier 2021 19:11
    • Sary nindramina

    Ambatofotsy (RN7) : Kamiao roa nifandona, mpitondra bisikileta iray voatsindrin’ny kodiarana

    Kamiao iray tapaka hisatra no nidofotra tamin’ny kamiao mpitaona fasika nifanena taminy teo avaratr’Ambatofotsy, Atsimondrano, amin’ny lalam-pirenena faha-7 androany maraina. Lehibe ny fahavoazana tamin’ireo fiarabe roa.Tovolahy iray nitondra bisikileta, nanaraka avy ao aorianan’ilay kamiao nitondra fasika, no tafatsofoka tao ambany fiara rehefa niseho tampoka ny loza tsy azony nialana. Voatsindry nanjary tohan'ny kodiarana aorianan'ilay kamiao be izy. Naratra mafy nifamonjena nentina namonjy hopitaly.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 23 janvier 2021 10:46
    • Sary nindramina

    Tanjombato : Fiara Sprinter nitsoraka ao Ikopa

    Fiara mpitatitra olona, manao zotra nasionaly, no nandrongatra avy eny ambony tetezan’i Tanjombato amin’ny lalam-pirenena faha-7, nitrongy ny arofananina ary latsaka tao amin’ny reniranon’Ikopa. Omaly efa maizina no niseho ny loza. Tsy nisy aina nafoy, fa naratra no nisy, ankoatra ny fahasimban’ny fiara. Mpanampy ny mpamily no voalaza fa nitondra azy. Iva dia iva ny haavon’ny ranon’Ikopa noho ny tsy fisian’ny orana ka tsy nampijoboka tao anaty rano ilay fiara.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 23 janvier 2021 10:37
    • Tahirin-tsary ZP

    Ankoriky Kaominina Ramena : Hita faty ilay ramatoa nofaohin’ny rano niaraka tamin’ny 4x4

    Hita harivan’ny 22 janoary 2021 tao Ankoriky Kaominina Ramena Antsiranana II ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy, iray tamin’ireo olona roa tao anatin’ilay fiara 4×4 lasan’ny rano tao Antomboka Namakia ny marainan’ny 19 janoary 2021 lasa teo raha avy any Antsiranana hiazo an’Andranovondronana nandritra ny andro ratsy. Vehivavy handeha hitady drakatra no nahita ny faty. Efa nalain’ny fianakaviany ny faty taorian’ny fanamarinana sy ny fizahana nataon’ny dokotera teo anatrehan’ny mpitandro ny filaminana. Ny marainan’ny 21 janoary 2021 hita faty tao amin’ny seranan’ny orinasa iray mpamokatra sira ao Antsahampano, Antsiranana II ny tovolahy iray, 27 taona, namily ilay fiara 4x4 tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 janvier 2021 21:11

    Analamanga : Sekoly miisa 15 no hisitraka rano fisotro madio avy amin’ny Japoney

    Sekoly miisa 15, mpianatra 1686 ary mpampianatra miisa 78 eto amin’ny Faritra Analamanga no hisitraka toerana famatsiana rano fisotro madio avy amin’ny Masoivoho Japoney. Hahazo tombontsoa amin’izany tetikasa izany ny EPP avy ao amin’ny Cisco Antananarivo Avaradrano, Atsimondrano, Manjakandriana ary Anjozorobe. Tanjon’ity tetikasa ity ny hanamora ny fanomezana lanja ny fahadiovana amin’ny alalan’ny fanasana tanana amin’ny savony sy ny rano, ary ny fahafahana misitraka rano fisotro madio. Tontosa androany teny amin’ny Masoivoho Japoney eny Ivandry ny fanaovan-tsonia ny taratasy fifanaraham-panomezana izany teo amin’ny Masoivoho Japoney miasa sy monina eto Madagasikara sy ny lehiben’ny fikambanana Miarintsoa izay hanatanteraka ny asa. Nanotrona izany ny Minisitry Fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ary ny Talen’ny kabinetran’ny Faritra Analamanga. (Loharanom-baovao : MEN)  
    Lire la suite ...
Page 6 sur 620