Tselatra

    • jeudi, 18 mars 2021 08:45
    • Sary nindramina

    Fitsaboana Covid-19 : Tsy maintsy ahitana CVO Plus manomboka izao

    Notapahana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny tetikady manampy ny fepetra efa misy iadiana amin’ny fihanaky ny Covid-19, ka ireo CSB rehetra manerana ny faritra ahitana ny soritr’aretina dia mandray avy hatrany ireo olona manana soritr’aretina ka manome avy hatrany ny fanafody sy ny traitements rehetra ilaina amin’izany, izay TSY MAINTSY ahitana CVO Plus, miampy Azytromicine sy ireo fanafody mampitombo ny hery fiarovana ao anatin’ny olona. Toy izany koa ireo hopitaly manarapenitra rehetra manerana ny Nosy, ary singanina manokana amin’izany raha ny eto an-drenivohitra ny etsy Andohatapenaka, ny etsy Anosiala, ny etsy amin’ny HJRA, ny etsy amin’ny HJRB, ny etsy Fenoarivo.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 mars 2021 16:18

    Covid-19 : Niampy 02 indray ireo maty

    Antontan'isa androany 17 marsa 2021 : Isan'ny natao fitiliana: 848Tranga vaovao: 138Analamanga: 34Atsinanana: 24Diana: 12 Sava: 04Boeny: 10Vakinankatra: 06Atsimo Andrefana: 22Menabe: 03Amoron'i Mania: 02Analanjirofo: 10Ihorombe: 01Sofia: 10
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 mars 2021 16:51

    Fitsarana Anosy : Nalefan'ny fitsarana nody ireo Mpianatra 3 Vontovorona

    Taorian'ny fihainoan'ny fampanoavana ireo mpianatra polytechnique 3 mirahalahy, izay voasambotra nandritra ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana 4 volana sy fampitaovana, dia nalefan'ny fitsarana nody ireto mpianatra ireto, fa amin'ny 13 aprily 2021 kosa no fotoam-pitsarana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 mars 2021 16:19

    Fitsarana Anosy : Miakatra fampanoavana ireo Mpianatra 3 Vontovorona

    Mankahery anareo zandry, mahavaky fo ny mahita anareo toy izao, maratra. Tena midera ny Président mpianatra tsy mihemotra na inona na inona fa mitady vahaolana hatrany anampiana ireo namany. Izahay koa tsy mijanona amin'izao ry zandry isany.Manantena fahendrenareo mpitsara, alaviro ny tsindry izay fantatray fa atao aminareo. Patrick (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 mars 2021 15:56

    Covid19 : Namono olona iray omaly

    Tatitra Covid-19 ny faha-15 martsa 2021. Antontan'isa manerana ny Nosy : Nanaovana fitiliana : 883 Tranga vaovao : 101- Analamanga : 60- Atsinanana : 09- Diana : 03- Matsiatra Ambony : 01- Sava : 18- Boeny : 09- Betsiboka : 01 Sitrana : 120Tranga misy fahasarotana : 99 Namoy ny ainy : 01  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 mars 2021 15:02
    • Sary nindramina

    Manakara : Nodimandry i Faharo Ratsimbalson

    Manamboninahitra miaramila misotro ronono i Faharo Ratsimbalson. Teo amin’ny sehatra politika no tena nahafantaran’ny maro azy. Solombavambahoaka naharitra, taom-piasana telo, tao Belo sur Tsiribihina izy. Efa Ben’ny tanàna tao an-toerana ihany koa. Efa lehiben’ny Faritra Menabe tamin’ny fiandohan’ny tetezamita, ary kandida tamin’ny fifidinana filoham-pirenena ny taona 2013. Nolazoin’ny aretina fotoana lavalava i Faharo Ratsimbalson no izao nindaosin’ny fahafatesana izao rehefa nitsaboina tao amin'ny CHRR Manakara izay Distrika fihaviany rahateo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 mars 2021 15:02

    Grevy Vontovorona : Hiakatra fampanoavana ireo mpianatra 3 voasambotra

    Taorian'ny hetsiky ny mpianatra polytechnique Vontovorona mitaky ny saram-pianarana 4 volana sy fampitaovana dia voasambotra ny 3 tamin'ireo mpianatra. Hiakatra fampanoavana androany izy telo lahy ireo eny amin'ny fitsarana Anosy.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 mars 2021 07:48
    • Tahirin-tsary nindramina

    Volamena 73.5kg : Afaka vonjimaika izy telo lahy any Afrika atsimo

    Namoaka didy ny fitsarana afrikanina tatsimo omaly alatsinainy 15 mars 2021 ny anomezana fahafahana vonjy maika an'ireo 3 lahy nanondrana volamena antsokosoko 73.5kg avy aty Madagasikara ny 31 desambra 2020. Samy nandoavana antobola na caution 100 000rands na 25 400 000ariary isam-batan'olona. Nasiana fepetra ny fivoahandreo ny fonja, ka ao anatin'izany ny tsy fahafahan'izy ireo mivoaka ny faritanin'i Gauteng, tsy fahafahany mifandray amin'ireo olon-kafa vavolombelona amin'ity raharaha ity, ny fandehanany isan'andro manoloana ny polisy ao Kempton anamarinana ny maha eo azy ireo, eo anelanelan'ny amin'ny 6ora maraina ka hatramin'ny 6ora hariva, tsy mahazo maka ireo antonta-taratasy fivohana ny firenena, ary hiantohan'ny fitsarana afrikanina tatsimo trano izy ireo hipetrahany. Amin'ny 21 mars ho avy izao no fotoam-pitsarana manaraka, ary mijanona eo ampelatanan'ny fitsarana ny volamena 73.5kg.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 mars 2021 20:27
    • Sary nindramina

    Grevy Vontovorona : Mitaky ny amoahana ireo mpianatra namany voasambotra na amin'izao alina be izao

    Mbola mafana ny toe-draharaha eny anivon'ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona amin'izao ora efa misasak'alina izao. Mitaky izy ireo ny hamoahana ny namany izay nosamborina ny atoandro teo. Ary mitaky hatrany ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 15 mars 2021 19:28

    Grevy Vontovorona : Atao famotorana eny Ankadilalana ireo mpianatra 3

    Nosamborina io maraina io ny mpianatra 3 teny Vontovorona rehefa nanao fitakiana vatsim-pianarana ireo mpianatra polytechnique Vontovorona : 1)- MAMY, 21 taona, mpianatra taona faharoa ao amin'ny sampana Ingénierie pétrolière, 2)- Tsirava, 23 taona, taona voalohany amin'ny sampana sciences et ingénierie des matériaux3)- Serge, 21 taona, taona fahatelo amin'ny sampana sciences et ingénierie des matériaux. Natao famotorana tao amin'ny tobi-paritry ny zandarimaria Fenoarivo ireo voasambotra, ary notohizana eny Ankadilalana izao alina izao ny famotorana.  
    Lire la suite ...
Page 11 sur 636