Tselatra

    • jeudi, 25 février 2021 16:37
    • Sary nindramina

    Antsiranana : Dia an-tongotra 20km no sazin’ireo tsy manao arovava orona

    Miteraka resabe sy hatezerana ho an’ny ankamaroan’ny olona aty Antsiranana ny sazy ampiharina amin’ireo olona tratra tsy manao arovava orona, na manao fa tsy mametraka tsara izany amin’ny toerana tokony hisy azy fa eo ambany saoka, izay fepetra anaovana fanentanana mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19. Samborin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany izay tratra, ary afatratra anaty fiara dia taomina mankany Ramena na Sakaramy, lalana miazo an’i Joffre Ville ary ajanona any. Samy manavo-tena manao izay hiverenana ao antampon-tanana izay mipetraka any. Mandeha fiara iombonana ny manambola atao saran-dalana, fa ny ankamaroany dia mandeha tongotra manala ny halaviran-dalana manodidina ny 20km. Omaly izao dia maromaro no voasambotra, avy anefa ny orana. Hotsaka avokoa nandritra ny dia tongotra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 février 2021 16:08

    Ambatovy : Hihodina indray ity orinasa ity

    Hiverina hihodina indray ny orinasa Ambatovy manomboka amin'ny volana martsa 2021 izao rehefa niato nanomboka ny volana aprily 2020. Ny Sumitomo Corporation no tompon'ny ampahany betsaka amin’ny renivola miasa ao Ambatovy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 février 2021 16:31

    Volamena 73.5kg : Nidoboka any Tsiafahy ilay douanier Toliara

    Natolotra teo anivon'ny fitsarana manokana miady amin'ny kolikoly na ny PAC ny agent d’encadrement des douanes en service à Toliara, notazonina vonjy maika eny Tsiafahy avy hatrany izy, noho ny tsirambina tamin'ny fisavana manontolo ny fiaramanidina sy ny entana nentiny, ka tsy nahitana ilay volamena 73.5kg.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 février 2021 13:30
    • Sary Njaka

    Andranomanalina Isotry : Trano lehibe iray may kilan’ny afo

    Tokatrano miisa valo no kilan’ny afo tamina trano lehibe iray ny alahady 21 febroary tokony tamin’ny efatr’ora tolakandro tao amin’ny fokontany Andranomanalina Isotry. Avy ao ambany rihana no nihavian’ny afo araka ny filazan’ny iray tamin’ireo traboina. Mety ho “court circuit” tamin’ny alalan’ny fitaovana miasa amin’ny herinaratra tsy noesorina no nahatonga ny firehetana. Tsy tao rahateo ireo mpanofa trano tao ambany rihana tamin’ny fotoana nirehetan’ny trano. Telopolo minitra tao aorian’ny firehetana vao tonga ny mpamonjy voina araka ny filazan”ireo nanatri-maso.Tsy nisy ny aina nafoy saingy fitafiana teny ankodin’ireo tra-boina sisa no azo noraisina tamin’izao hain-trano izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 20 février 2021 16:12
    • Sary nindramina

    Antsirabe : Tsy nahazo niasa ny zotra Antsirabe - Antananarivo

    Nosakanana tsy mahazo miasa ny zotra Antsirabe mandeha Antananarivo io maraina io. Nisy mpandeha efa tamin'iny 4 Ora maraina hikasa hamonjy raharaham-pianakaviana no tavela. Baiko no azon'ny ny mpitatitra fa tsy mahazo mivoaka an'Antsirabe izy ireo androany. Tsy voafaritra ihany koa hoe hatramin'ny firy izay fanakanana izay. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 février 2021 17:09
    • Sary nindramina

    Barikadimy Toamasina : Namoy ny ainy i Michel

    Noho ny ratra sy fahaverezan-drà be loatra, vokatry ny tifitra bala nahazo azy tamin'ny hetsiky ny mpianatra tao Barikadimy, hetsika fitakiana vatsim-pianarana androany 18 febroary 2021, dia namoy ny ainy i Johnelie Jacques Michel, 23taona, mpianatra taranja toe-karena taona faha 2. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 février 2021 11:30
    • Sary Gasypatriote

    Kraoma : Mitohy ny fitokonana, mpiasa tsy misy mandray karama, ny mpitantana mijery fotsiny

    Aman-taonany izao ny fitokonana eo anivon'ity orinasam-panjakana mpitrandraka Kraoma ity, ny mpiasa tsy voaloa ny karama, efa nitety an'ireo tompon'andraikitra rehetra, efa nilanja sora-baventy hatreny amoron-dalana mizotra mihazo ny tranon'ny Filoham-pirenena mihisy aza. Efa ho lozitry ny rano sy ny masoandro aza ireo sora-baventy manemotra ny foiben-toeran'ny orinasa etsy Ampefiloha Antananarivo, fa toa lasa haingo nahazatra ny mpandalo ireto izy. Tsy misy vahaolana aroson'ny fitondrana, ny Tale Jeneraly mpisolo toerana vonjy maika efa ho roa taona no teo, tsy hita izay fanapahan-keviny, fa toa voa maika kosa aza nampidi-kizo ny orinasa. Ireo mpanara-maso ny fampiasam-bola, ny Bianco, ny ministera mpiahy samy tsy misy hita avokoa. Itony anefa no orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany, izay tokony ho fototry ny fampandrosoana eto Madagasikara. Tsiahivina fa an'ny Kraoma ny fahazoan-dalana mitrandraka ny volamena any Betsiaka Ambilobe izay misy 500 taonina volamena raha ny fandalinana ara-tsiantifika natao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 février 2021 13:01
    • Sary nindramina

    Betamanga-Mahajanga : Zazalahy 4 taona, may notondrahan'ny dadatoany ravitoto mangotraka

    May mitondra takaitra ary hirifiry no iainan'ity zazalahy kely vao efatra taona monja ity, notondrahan'ny dadatoany, anadahin-dreniny ravitoto mangotraka mbola nitaingina teo ambony fatana. Mpihavana, Mpifanolo-bodirindrina, monina eny Betamanga Fokontany Ambondrona izy mianakavy ireto, saingy efa nisy disadisa hatramin'ny ela noho ny resaka ady lova araka ny fitantaran'ny renin'ity zaza ity. Afak’omaly, nifamaly tamin'ny vadiny ity rangahy ary nikasa hikasi-tanana am-dramatoa io ity farany, saingy nosakanan'ny olona. Ilay zaza tsy maninon-tsy maninona no notondrahan'ilay rangahy ravitoto mangotraka, ka izao may izao, may ihany koa ramatoa vadiny no sady naratra. Tànana hatao famotorana ao amin'ny polisy misahana sy miaro ny Zaza tsy ampy taona ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity, ary atolotra ny Fampanoavana avy hatrany raha vao vita ny fanadihadiana azy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 février 2021 12:44
    • Sary ZP

    Toamasina : Voasambotra i Juvano, gadra nitsoaka tao Ambalatavoangy

    Voasambotry ny Zandary tao Antetezambaro Distrika Toamasina II i Juvano. Gadra nitsoaka tao amin’ny fonjan’ Ambalatavoangy tamin’ny 2019 ity farany. Tompon’antoka tamina fanafihana mitam-basy nitranga tao Andranomadio ny alin’ny 29 janoary 2021 teo ity jiolahy ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 février 2021 11:19
    • Sary nomena

    Ambovombe : Tamin'ny volana novambra 2020 no nisy orana farany

    Manomboka amin'ny 1ora atoandro mandrampa-hariva ny andro dia tiomena hatrany no misy, rivotra tadio mitondra fasika sy vovoka. Tsy misy ny rano, vidiana 15 000ar ny rano iray barika 250l zara raha madio. 60ar/litatra, 1200ar ny bidon mavo 20l. Kere ary noana ny mponina, ny lalana ratsy, ny famokarana tsy misy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 621