Andriatsima Faneva Ima : Mikasa ny hitantana klioba sy handefa mpilalao any ivelany

  • lundi, 05 avril 2021 19:20
  • Sary nindramina

Nandritra ny fivahinianan’i Andriatsima Faneva Ima tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina Real TV, taorian’ny lalao farany nataon’ny Barea an’i Madagasikara nanoloana an’ny Mena avy any Niger, no nampahafantarany ny hoaviny sy ny vinavinany aorian’ny hitsaharany tsy hilalao eny ambony kianja intsony.

Nambaran’i Andriatsima Faneva Ima fa hiverina eto Madagasikara izy, ary faniriany ny hanana sy hitantana klioba kitra iray.

Nambarany fa nanamarika azy ny hoe : teratany Renioney no nahita ka nandefa azy hilalao baolina tany Frantsa, fa tsy Malagasy. Faniriako, hoy i Faneva Imà mba izaho no handefa mpilalao hila ravinahitra any ampitan-dranomasina.

36 taona i Faneva Imà Andriatsima ankehitriny. Kapitenin’ny Barea izy teo aloha. 14 ny baolina tafidiny nandritra ny naha mpilalaon’ny ekipam-pirenena azy. Nanamarika azy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taona 2019. Niato tsy nilalao ao amin’ny Barea izy taorian’ny lalao fifanintsanana CAN 2021 teo Mahamasina tamin’ny 2019 ka nandresen’i Madagasikara 1 noho 0 an’i Ethiopie.

Nantsoin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis izy, ary nanaiky niatrika ireo lalao roa farany tao amin’ny Vondrona K nisy an’i Madagasikara, tamin’ny fifanintsanana CAN 2021. Tsy nandingana ny vondrona ny Barea.

Niaiky i Faneva Imà Andriatsima fa tsy fahombiazana iny. Rano raraka iny, hoy izy, ka mila miray hina ny rehetra hanomana dieny izao ny hoavy. Nitodika manokana tamin’ireo zandry mpandimby izy, mba hiezaka, hikotrana mafy ary hatanjan-tsaina fa tsy mora ny ady toerana ao amin’ny ekipam-pirenena na koa ny sehatra mahitahina amin’ny klioba any ivelany any.

Milalao ao amin’ny Al-Hamriyah any Émirats Arabes Unis i Faneva Imà, ary efa hamarana ny taom-pilalaovana tsy ho ela.

Mpilalaon’ny USCA Foot i Faneva Imà no hitan’ny vazaha ka nalaina hanatevina ny FC Nantes tany Frantsa. Klioba maromaro no efa nilalaovany tao Frantsa toy ny AS Cannes, US Boulogne, Créteil-Lusitanos, FC Sochaux-Montbéliard, Raja Club Athletic, Havre AC, Clermont Foot 63, avy eo tany amin’ny Abha Club tany Arabia Saodita, dia izao any Dubai milalao ao amin’ny Al-Hamriyah izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.