Kitra-CHAN 2020 : Voatazon’i Maroc ny anaram-boninahitra

  • mardi, 09 février 2021 09:12
  • Sary nindramina

Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 2 noho 0 i Maroc nanoloana an’i Mali nandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2020 tany Yaoundé, Cameroun ny alahady 7 febroary 2021.

Voatazon’i Maroc ny maha tompondakan’i Afrika azy amin’ny baolina kitra, ifaninanan’ireo ekipam-pirenena rafetin’ireo mpilalao tsy mpila ravinahitra fa milalao ao anatin’ny fireneny avy (CHAN).

CHAN andiany faha-6 ity notanterahina tany Cameroun ity. I Maroc no tompon’ny anaram-boninahitra farany tamin’ny CHAN 2018, ary firenena voalohany nahavita nitazona io anaram-boninahitra io tao anatin’izay andiany enina vita izay.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.