Kitra : Hisy “Tournoi La relève - Doritos” ho an'ireo 14-15 taona
- jeudi, 14 janvier 2021 19:29
- Sary nindramina
Hotanterina manomboka ny 7 feboary 2021 izao ny “Tournoi La relève- Doritos” ho an'ireo 14-15 taona. I Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra no ho ray mpiahy ny fifaninana, iarahana amin’ny orinasa Aldis izay mpivarotra ny vokatra Doritos.
64 ny klioba hifaninana, hozaraina anaty vondrona 8. Ny klioba 2 voalohany isaky ny vondrona no tafakatra amin’ny dingana 1/8-ndalana.
Vinavinaina hatao ao amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao famaranana ny volana novambra 2021.
Hanomboka ny 14 janoary, ary hitohy hatramin'ny 22 janoary 2021 ny fisoratana anarana, ary maimaimpoana.
Miara-miasa amin'ny fanatontosana an'ity fifaninana ity ny Vaomiera kitra ho an’ny tanora avy ao amin'ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra sy ny ligy Analamanga.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.