Taranja Judo : Hampiantrano ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika i Madagasikara

  • vendredi, 27 novembre 2020 20:47

Hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 20 Desambra 2020 ny lalao afrikana iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Judo, ka eto Madagasikara no handraisana izany, araka ny fampahafantarana nentin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto.

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 25 novambra 2020 izany, ary napetraka mazava ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana tsy maintsy harahana, toy ny fanaovana ny fitsirihana ara-pahasalamana, sy ny fanaovana Test PCR, mialoha ny hidirana eto Madagasikara sy hanaovana ny fifaninana.

Fandrindrana ny fitaterana ireo atleta avy any Afrika ho tonga eto Madagasikara, fanaovana ny fifanintsanana tsy azo hatrehin’ny daholobe, fijanonana any amin’ny toerana hitobian’ireo mpanao fanatanjahantena rehefa tsy mandray anjara amin’ny fifaninana izy ireo, fametrahana arovava orona rehefa mivezivezy ivelan’ny toerana hifaninanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.