Kitra - Barea : Ho anisan'ireo mpilalao hiatrika amin'ny Côte d'Ivoire i Zotsara
- dimanche, 15 novembre 2020 18:00
- Sary nindramina
Nodisoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra, ny resaka niely tamin’ny facebook fa voan’ny tsimokaretina Covid-19 i Zotsara, iray amin’ireo mpilalao 23 mandrafitra ny delegasiona malagasy miatrika ny lalao mandroso sy miverina amin’i Côte d’Ivoire.
« Tsy araka ny feo mihely mahakasika an'i Zotsara, izay ao anatin'ny delegasiona tonga eto Toamasina, izay nolazaina fa hoe : « positif » dia voamarina tamin'ny fitiliana natao izao maraina izao fa « négatif » izy, ary ho anisan'ireo mpilalao hiatrika ny Côte d'Ivoire amin'ny talata izao. Ny staff rehetra koa dia tsy misy mitondra ny otrikaretina Covid-19 », hoy i Nicolas Dupuis.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.