Kitra – Fifanintsanana CAN : Samy efa ao Toamasina ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

  • samedi, 14 novembre 2020 21:16

Tonga io tolakandro io teto Madagasikara, ary samy efa ao Toamasina, toerana hanatanterahana ny lalao miverina hatao amin’ny kianja Barikadimy, ny talata 17 novambra 2020 ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire.

Tonga mialoha ny Ivoariana, ary naneho fa tsy hitsangatsangana no ahatongavany eto Madagasikara fa mbola haka isa telo.

Vonona hanarina ny lesoka sy handrombaka fandresena ihany koa ny Barea.

Nanomana fitsenana manokana azy ireo hatreny Ambalamanasa, ka hatrao amin’ny Hôtel Calypso hitoeran’ny ekipam-pirenena malagasy, ny vahoakan’i Toamasina tamin’ny fahatongavan’izy ireo io tolakandro io.

« Nampihetsi-po ny fandraisan'ny mponin'i Toamasina an'i Barea androany. Nanome hery lehibe ho anay ny fahitanay anareo maro be izay hisaorako manokana etoana », hoy i Nicolas Dupuis, mpanazatra.

Hiatrika fitiliana Covid-19 ny mpilalao sy ny delegasiona, ny alahady, fa « hatreto dia tsy misy soritra aretina positif ny delegasiona rehetra izay tonga aty Toamasina », hoy izy.

Hiatrika fanazarantena anakiroa ny Barea ny maraina sy ny hariva, ny alahady 15 novambra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.