Rosa Rakotozafy: Vehivavy voalohany filohan’ny CIGEPS

  • dimanche, 04 octobre 2020 16:38
  • Sary nindramina

Madagasikara, amin’ny alalan-dRtoa Rosa Rakotozafy, no mitarika ny Comité InterGouvernemental de l'Education Physique et du Sport (CIGEPS) eo anivon’ny UNESCO.

Nanohavaozina nandritra ny fivoriana ara-potoana ny 28 sy 29 septambra 2020 teo ny birao.
Rosa Rakotozafy no filoha ho an’ny taom-piasana 2020 - 2021.
Sambany no nisy filoha vehivavy hatramin’ny 1978 nisian’ny CIGEPS.

Mitana andraikitra ambony eo anivon’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena i Rosa Rakotozafy. Tale jeneralin’ny fanatanjahantena ity farany.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.