Jérôme Mombris: Voamarina fa mitondra Covid-19 taorian’ny fitiliana PCR natao azy

  • samedi, 03 octobre 2020 18:09
  • Sary nindramina

Namoaka fanambarana ny Grenoble Foot 38, klioba frantsay ilalaovan’i Jérôme Mombris fa mitondra Covid-19 ity farany taorian’ny fitiliana PCR natao azy. Misy mpilalao roa hafa sy mpitantana ny klioba ihany koa voa.

Mpilalao isan’ireo nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea an’i Madagasikara, hiatrika ny fampivondronana sy nanao fanomanantena any Luxembourg mialoha ny hiatrehana ireo lalao roa mandroso sy miverina hifandonan’ny Barea amin’ny Elefatan’i Côte d’Ivoire amin’ny volana novambra i Jérôme Mombris.

Vodilaharana ao amin’ny Barea izy, isan’ireo nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy niatrika ny CAN 2019.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.