KITRA: QATAR indray no hifanandrina an’ny Black stars Ghana

  • vendredi, 02 octobre 2020 10:07
  • Sary nindramina

Araka ny fanambarana nataon’ny federasionan’ny baolina kitra ghanéanina tamin’ny alalan’ny tatitra ofisialy, dia ny ekipa nasionalin’ny Qatar no hifanandrina aminy ,amin’ny lalao ara-pirahalahiana izay atao any Antalya (Turquie) ny Alatsinainy 12 oktobra ho avy izao.

Raha ny fandaharam-potoana izay voaray anefa, dia ny Barea an’ny Madagasikara no hifanandrina amin-dry zareo kintana maintin’ny Ghana amin’io daty io ihany.

Mety ho any Maroc indray zany no atao ny lalao, ka hiverina amin'ny ekipan'ny Burkina Be indray no hifanandrinan'ny Barea.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.