Sport

    • mardi, 09 février 2021 09:12
    • Sary nindramina

    Kitra-CHAN 2020 : Voatazon’i Maroc ny anaram-boninahitra

    Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 2 noho 0 i Maroc nanoloana an’i Mali nandritra ny lalao famaranana ny CHAN 2020 tany Yaoundé, Cameroun ny alahady 7 febroary 2021. Voatazon’i Maroc ny maha tompondakan’i Afrika azy amin’ny baolina kitra, ifaninanan’ireo ekipam-pirenena rafetin’ireo mpilalao tsy mpila ravinahitra fa milalao ao anatin’ny fireneny avy (CHAN). CHAN andiany faha-6 ity notanterahina tany Cameroun ity. I Maroc no tompon’ny anaram-boninahitra farany tamin’ny CHAN 2018, ary firenena voalohany nahavita nitazona io anaram-boninahitra io tao anatin’izay andiany enina vita izay. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 25 janvier 2021 22:03
    • Sary nindramina

    Gôly Be : Tonga ao Mahajanga ny nofo mangatsiakany

    Nigadona androany Alatsinainy 25 Janoary tolakandro tao Mahajanga ny nofo mangatsiakan'i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be. Nisy fitsenana ny razana teny amin’ny PK18, Croisement Boanamary nataon'ny Manampahefana, mpitantana ny kitra, mpakafy sy mpiara-milalao baolina fahiny taminy. Nivantana ao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina ny faty ary iaretan-tory ao anio alina. Rahampitso Talata 26 Janoary dia entina eny amin’ny stade Rabemananjara, mialohan’ny hiaingana ho any Mandritsara, faritra Sofia, toerana izay handevenana an' i Gôly Be, mpilalao baolina kitran’ny FCO Mahajanga sy ny Club M fahiny. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 20:32
    • Sary nomena

    Gôly Be : Notoloran’ny fanjakana « Chevalier de l'ordre du Mérite Sportif »

    Tonga eto Madagasikara androany atoandro ny nofomangatsiakan’i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be, mpiandry haraton’ny Club M taloha, nodimandry tany Bordeaux Frantsa ny 29 desambra 2020. Misy ny fanomezam-boninahitra azy sy iaretan-tory ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina. Notoloran’ny fanjakana tamin'ny alalan'ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena mariboninahitra « Chevalier de l'ordre du Mérite Sportif » izy, ho fankasitrahana ny asa vitany tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy sy tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 19:33
    • Sary FMBB

    Baskety- sokajy N1A : Tompondakan'i Madagasikara 2020 ny ASCUT Atsinanana sy ny MB2ALL Analamanga

    Tontosa io tolakandro io tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny lalao famaranana niadiana ny tompondakan'i Madagasikara 2020. Teo amin’ny sokajy lehilahy dia resin’ny ekipan'ny ASCUT Atsinanana tamin'ny isa 79 noho 67 ny GNBC Analamanga, ary dia voahosotra ho tompondakan'i Madagasikara. Teo amin’ny zazavavy kosa dia ny ekipan'ny MB2ALL Analamanga no tompondakan'i Madagasikara 2020 rehefa nandavo ny SBBC Boeny tamin’ny isa 70 noho 56. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 24 janvier 2021 14:41
    • Sary nindramina

    Kitra - Mpilalao tranainy : Nodimandry i Télésphore, vodilaharana tao amin’ny Club M

    Nodimandry ny zoma 22 janoary 2021 Rabearimanana Michel Télésphore, mpilalao tranainy efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy. Teo anelanelan’ny taona 1969 hatramin'ny 1976 no tena nampisongadina azy. Mpilalao tao amin’ny 3FB Antsirabe sy ASPTT Antananarivo i Télésphore, nitana ny toerana vodilaharana havia, ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy ihany koa. Anisan'ny mpikambana teo anivon'ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra ihany koa i Rabearimanana Michel Télésphore.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 23 janvier 2021 11:02
    • Tahirin-tsary nindramina

    Gôly Be : Fantatra ny fandaharam-potonana hitsenana ny vatana mangatsiakany

    Higadona rahampitso alahady 24 Janoary antoandro eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo ny nofo mangatsikan’i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be, ilay mpiandry harato malazan'ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra faha Club M. Hisy fanomezam-boninahitra farany azy hatao ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina Antananarivo io alahady 24 Janoary io. Ny Alatsinainy maraina no hiala eto Antananarivo ny faty hiazo an’i Mahajanga. Hisy fitsenana omanin’ny ao an-toerana eny amin’ny Croisement Amboanio, Mahajanga II ny Alatsinainy folakandro. Hiazo ny Complexe Sportif Ampisikina Mahajanga I avy hatrany ary hiaretan-tory ao ny Alatsinainy alina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 janvier 2021 19:29
    • Sary nindramina

    Kitra : Hisy “Tournoi La relève - Doritos” ho an'ireo 14-15 taona

    Hotanterina manomboka ny 7 feboary 2021 izao ny “Tournoi La relève- Doritos” ho an'ireo 14-15 taona. I Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra no ho ray mpiahy ny fifaninana, iarahana amin’ny orinasa Aldis izay mpivarotra ny vokatra Doritos. 64 ny klioba hifaninana, hozaraina anaty vondrona 8. Ny klioba 2 voalohany isaky ny vondrona no tafakatra amin’ny dingana 1/8-ndalana. Vinavinaina hatao ao amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao famaranana ny volana novambra 2021. Hanomboka ny 14 janoary, ary hitohy hatramin'ny 22 janoary 2021 ny fisoratana anarana, ary maimaimpoana. Miara-miasa amin'ny fanatontosana an'ity fifaninana ity ny Vaomiera kitra ho an’ny tanora avy ao amin'ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra sy ny ligy Analamanga.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 12 janvier 2021 19:38
    • Sary nindramina

    Kitra malagasy : Hijanona tsy hilalao intsony i Leda, mpiandry harato

    Tamin’ny alalan’ny tambazotra serasera no nanambaran’i Leda Sandratra Mathieu sy Rakotonirina Jolce Junior fa hapirina ny gaodasiny, ka ijanona tanteraka tsy ho mpilalao baolina kitra amin'ny sehatra avo eto Madagasikara izy ireo. Hifantoka tanteraka amin'ny asa aman'andraikitra amin'izay izahay ary koa amin'ny fikarakarana ny Ankohonana, hoy ny fanambarana. Mpiandry harato tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea i Leda, isan’ireo niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny CAN2019 natao tany Ejipta i Leda. An’isan’ireo mpilalao novolavolain’ny klioba « CNaPS sport football » izy. Maro ny zava-bita tsara nataon’i Leda teo amin’ny sehatry ny baolina kitra teto Madagasikara ary indrindra teo amin’ny klioba « CNaPS sport football », izay nanomezan’ny mpitantana ny klioba azy sy ireo mpiasan’ny CNaPS rehetra manerana ny Nosy ny marim-pankasitrahana ho fankasitrahana azy. 32 taona i Leda izao nanapa-kevitra tsy hilalao izao intsony.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 janvier 2021 20:08
    • Sary : MJS

    Tinoka Roberto : Natao hanokanana ireo fotodrafitr’asa efa natomboka ny taona 2021

    Nanao jery todika ny asa vita ary nanoritra ny lalana hizorana amin’ity taona vaovao 2021 ity ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora Tinoka Roberto nandritry ny fananganan-tsaina voalohany teo amin’ny “Place Goulette” Ambohijatovo androany alatsinainy 11 janoary 2021. Nambaran’ny minisitra fa ny taona 2021 dia natao hanokanana ny fotodrafitr’asa izay efa natomboka, toy ny kianja mitafo manarapenitra miisa 15, dobo filomanosana olimpika 2 ary kianja manarapenitra miisa 30. Vinavinaina ho sivy volana ny faharetan’ny fananganana izany.Tanjon’ny ministera ny hitsinjara mitovy ny fananganana fotodrafitr’asa toy izao isam-paritra mba tsy hitanila, ary efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy 2023. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 décembre 2020 09:57
    • Sary nindramina

    Kitra Malagasy : Nodimandry i Gôly Be

    Nodimandry tany Bordeaux Frantsa ny 29 desambra 2020 i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be, ilay mpiandry harato malazan'ny Club M, tamin’ny naha mpanazatra an’i Peter Schnittger. Nilalao tao amin’ny Fortior de la Côte Ouest sy SOTEMA Mahajanga izy, ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy Club M.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 76