Fahasalamam-bahoaka : Nanamafy ny fanjakana fa voarara ny fanaovana dokambarotra sy fivarotana fanafody tsy nahazoana alalana

  • vendredi, 02 avril 2021 14:21
  • Sary nindramina

"Fanafody azo antoka no atolotra ny vahoaka fa sarobidy ny aina", koa raràna arak'izany ny fanaovana dokambarotra amin’ny endriny rehetra sy fivarotana fanafody tsy nahazoana alalana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Manamafy izany ny naoty laharana 140/MSAN/Ministre, tamin'ny 10 Aprily 2019, izay mandrara ny fanaovana dokambarotra mikasika ny fitsaboana, araka ny fanamafisana nataon’ny avy amin’ny Fitaleavana misahana ny Farmasia, laboratoara, ary ny fitsaboana nentim-paharazana ("Direction des Pharmacie, des Laboratoires et Médecines Traditionnels" DPLMT ) eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nampahatsiahy ireo dingana arahina raha hivarotra fanafody na raokandro vita avy amin’ny zava maniry vokatrin’ny fikarohan’ireo mpikaroka ny DPLMT :

- Mametraka antontan-taratasy ao amin’ny sampan-draharaha « Pharmacopée et de la Médecine Traditionnelle » ;
- Mandinika ny mikasika ilay zava-maniry ny Komity izay ahitana ny lehiben'ny Fikambanana nasionalin'ny mpitsabo nentim-paharazana ;
- Ao aorin’io fandinihan’io komity io no ahafantarana na mahazo fahazahoan-dalana na tsia.

Andraikitrin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny miantoka ny kalitao sy fahombiazan'ny fanafody iray.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.