African Academy of Sciences : Miisa dimy ny Malagasy mpikambana

  • mardi, 30 mars 2021 08:45
  • Sary nindramina

Niampy telo ny Malagasy mpikambana ao amin’ny African Academy of Sciences (AAS), araka ny fampahafantarana nataon’ny profesora Ratsimbazafy Jonah.

Tsy iza ireo mpikambana vaovao ireo fa ny “docteur” isany Miora Ramanakoto, Naina Rakotosamimanana ary Luciano Michel Tantely.

Mbola tanora vao misandratra eo amin’ny asa fikarohana ara-tsiansa avokoa izy telo mianadahy ireo.

Tonga dimy izany ankehitriny ny isan’ny Malagasy mpikambana ao amin’ity rafitra akademisiana manana ny famirapiratany manerana ny kaontinanta afrikana sy eran’izao tontolo izao ity.

Ny Malagasy mpikambana roa hafa ao dia tsy iza fa ny manam-pahaizana fanta-daza manerantany Raoelina Andriambololona sy Ratsimbazafy Jonah.

An-tsitrapo ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny AAS, saingy hentitra dia hentitra kosa ny ny mason-tsivana.

Ny fahafahan’ny tanora toa aza telo mianadahy miditra mpikambana vaovao ireo dia midika fa velona sy miaina ny asa fikarohana ao amin’ny firenena iray, na dia maro aza ny fahasarotana sedrain’ny mpikaroka eto Madagasikara.

Balita Raharisoa

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.