Sigara sy paraky : Mamono Malagasy 8️ 3️0️0 isan-taona

  • dimanche, 28 février 2021 19:22

Tena mamono olona maro eto Madagasikara, nefa tsinontsinoavin’ny olona ny aretina ateraky ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky.

Araka ny atontanisa navoakan’ny OMS Madagascar ️dia Malagasy 8 3️0️0 isan-taona eo no maty vokatr’ireo. Fahatapahan’ny lalandra, homamiadan’ny havokavoka na aretin’ny taovam-pisefoana ho an’ny olon-dehibe. Miteraka zaza saozanina ho an’ny vehivavy bevohoka ary koa zaza maty tampoka.

Ny 2️7️ febroary 2️0️0️5️ i Madagasikara no nankatoa ny fifanarahana ara-pahasalamana, miaraka amin’ny OMS iadiana amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.