Fahasalamana : Voalohan-karena

  • mardi, 23 février 2021 11:24
  • Sary Gasypatriote

Ny rehetra afaka manantona mpitsabo dia mangataka hanao Bilan général, dia omeny ordonnance, dia izy ihany koa avy eo no mahita ny valiny, sy izay fepetra tokony raisina raha misy tsy milamina tsara.

Amin'ny ankapobeny :
- Consultation dokotera 30 000ar
- Mpanao nify 30 000ar isaky ny acte, tsara raha amboarina daholo na esorina izay tena tsy avotra, - Isaky ny 6 volana manao détartrage, na ilay manala ireny carry ireny
- Scanner 180 000ar + fanafody 80 000ar x 2 (arakarak'izay atao)
- Analyse Institut Pasteur : Miankina amin'ny zavatra rehetra atao, amin'ny ankapobeny 250 000ar
- Tsara ny mijery maso : Consultation 30 000ar, ny solomaso tsotsotra manodidina ny 100 000ar.
- Mila jerena ny sofina, fa matetika izy io mitondra tsy fahasalamana toy ireny fanina ireny, ankoatran'ny tsy fahenoana tsara, misy appareil azo atao tsara, somary lafolafo, tsy atao mahamenatra ireny ka hoe be marenina, toy ny maso ihany io, rehefa mitombo ny taona dia mihena ny fahenoana, dia toy ny manao solomaso, dia manao appareil fahenoana.

Tena mahay ny dokotera Gasy, ary tsy nisy nahitako taratra mitaky kolikoly, ry zareo aza no hitako niantoka ny fitaovana sasany nampiasaina, dia noresahiko hoe aleo aloako izay lany, dia nandeha tao amin'ny pharmacie naloako ny lany dia naveriko ny volandreo.

Teo amin'ny 1 million ariary no nahavitako ny ahy.

Tsy araky ny maro izany, nefa azo atao tsara ny manatanteraka izany ho an'ny rehetra, satria efa akana 6% amin'izao (5% Mpampiasa +1% mpiasa) ny karama isam-bolana, ka raha ezahina hatsangana isam-paritra ireny OSTIE, sy Institut Pasteur, Mpanao nify, Mpijery maso sy sofina ireny, omena fihofanana sy fampitaovana ireny mpitsabo CSB ireny, ary indrindra, omena karama sahaza ny asandreo.

Ireo mpianatra mpitsabo, na mpianatra paramed, denstiste ireny, tokony avy dia misy fampitaovana isaky ny Kaominina andraisana azy ireny, toy ny Académie militaire avy dia mahazo asa, toy izany koa ny Académie de medicine, vao miditra mianatra dia efa misy asa miandry azy eo.

Izay anangana cabinet, tokny iantohan'ny fankana ny fahafahany maka trosa amin'ny banky amin'ny taux d'interet ambany (1% raha be indrindra), ary 10 ans no amerenany azy.

Ny dentisterie mila 50 000 000ar eo vao mitsangana ny cabinet dentaire.

Apetraka ny digitalisation n'ny mponina, ka ampifandraisina ny serveur n'ireo mpitsabo, ka manana carte de santé ny Malagasy tsirairay.

Mitaky anefa izany fametrahana tena politika fitantanana ny mponina, digitalisation acte de naissance, CIN, acte de mariage, acte de décès, liste électorale, gadra - dossier judiciaiare, permis de conduire, passeport, fandovàna, tany, fiara, trano.

Manana ny Université informatique sy mpahay rehetra momba izany isika Malagasy, na Université miankina fanjakana, toy ny any Fianarantsoa, na ireo Ecole Privée maro no manana olona mahay momba izany.

Mirary soa e
Patrick

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.